Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Manapaka ny an’ny hafa!

Nanapa-kevitra ny minisitera fa raràna ny mpampianatra amin’ny fanaovana fampianarana manokana tan-tsoroka ho an’ireo mpianatra tsy dia maharaka firy any am-pianarana. Izany no atao dia mba hampifantoka bebe kokoa ireo mpampianatra ary tsy hampisy fanavahana amin’ny samy mpianatra. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia mety io fanapahan-kevitry ny minisitera io satria lasa alasafay fotsiny ny fampianarana eny amin’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina. Ny « cours » eny amin’ny sisiny, araka ny filaza azy, indray no toa miroborobo sy mahita vokatra tsara kokoa. Izany hoe omen’ny mpampianatra tombon-dahiny ireo mpianatra manaraka « cours » manokana aminy na amin’ny vondrona mpampianatra misy azy.

Raha dinihina lalina, ihany koa, anefa dia tsy azo ialana ny fanarahana ireny « cours » ireny noho ny antony roa miavaka tsara dia ny fahambanian’ny fari-pahalalan’ny mpianatra sy ny tsy fahampian’ny vola miditra amin’ny mpampianatra. Ity farany dia iarahan’ny malagasy rehetra miaina satria ny karama isam-bolana tsy ampy mihitsy hamelomana ny ankohonana. Voatery tsy maintsy mitady vadin’asa sy fidiram-bola hafa ny mpampianatra mba tsy hiroaroa saina amin’ny foto-pivelomany.

Izany hoe raha te hitady vahaolana hampifantoka ireo mpampianatra amin’ny asany ny Fanjakana dia ny karaman’izy ireny sy ny tambin-karama hahafahany mivelona ara-dalàna sy miasa am-pitoniana no tsy maintsy jerena voalohany. Eto Madagasikara dia anisan’ny olona kely karama indrindra, ary tsy mety tafita amin’ny fiainany ny mpampianatra. Maro amin’izy ireny aza no lasa vesatra ho an’ny fiaraha-monina rehefa antitra satria tsy miasa intsony ary tsy mba afaka nanangona fony fahatanorany.

Raha oharina amin’ny mpiasa avy amin’ny sehatra hafa ny mpampianatra dia tena mahonena satria azo sokajiana ho anisan’ireo sokajin’olona mafy ady lalandava ka ny fampanaovana « cours » no mba hampitomboany ny vola miditra aminy. Tsy toy ny mpiasam-panjakana hafa, izay na kely karama aza botrabotra amin’ny kolikoly, ireo mpampianatra.

Izy ireo anefa no tena miantoka ny ho avin’ity firenena ity. Malagasy avokoa ny 99,99 isan-jaton’ny mpampianatra eto Madagasikara ary izy rehetra ireny no mamolavola ny zaza ho tafita sy ho lasa olom-banona. Tsy misy mpitondra malagasy, na iray aza, sahy hilaza fa tsy mpampianatra malagasy no nitari-dalàna sy nizara fahaizana tamin’izy ireo hatramin’ny fahakeliny. Ireny mpampianatra mafy ady kely ireny no nizara ny fahaizana sy ny ron-dohany ary nampita izay tsara ho fantatra rehetra izay ny zaza malagasy vao tonga tany amin’ny ambaratonga ambony, sy ihany koa afaka nanohy fianarana tany an-dafy.

Rariny sy hitsiny, araka izany, raha toa ka mba omena ny tandrify azy ireo mpampianatra hahafahany manatontosa an-tsakany sy an-davany ny asa fivelomany. Taloha izany mpampianatra izany tena rehareha mihitsy saingy ankehitriny lasa henatra. Very hasina ilay asa satria tsy mahavelona ary tsy mahatafita.

An-kavitsiana izany mpampianatra mitondra fiara manokana izany rehefa handeha hiasa fa saika mandeha an-tongotra sy fiara iombonana avokoa ny ankamaroan’izy rehetra.

Izao anefa dia mbola tadiavin’ny Fanjakana ho tapahina indray ny fidiram-bola kely amin’ny alalan’ny fampanaovana « cours » etsy sy eroa. Raha tena ampiarina* tokoa io fanapahan-kevitry ny minisitera io dia mety azo heverina ny hisian’ny fametraham-pialana faobe ataon’ny mpampianatra. Tsy hisy olona handany andro hanao asa tsy mahavelona izany eo. Matoa ny mpampianatra hafa tsy mampanao “cours” dia manana fidiram-bola hafa izy ireny ary vadin’asa na ihany koa fialam-boly fotsiny ny asa fampianarana. Izany hoe ireo tsy tena matihanina amin’io asa io no mankasitraka ny fanafoanana ny “cours”. Mandainga ary mamitaka izay mpampianatra sahy mijoro fa mahavelona tanteraka ny asa fampianarana eto Madagasikara raha ny karama raisin’izy ireo isam-bolana no jerena. Ireny minisitra sy solombavambahoaka izay mandray hatramin’ny 10 tapitrisa ariary isam-bolana ireny mantsy izao no azo ambara fa tena miaina ao anatin’ny fahampiana. Ireny anefa tsy nahavita ary tsy hahavita ny vitan’ny mpampianatra mihitsy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre