Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Lojikan’ny valifaty !

Nanambara ny tsy hanaiky ary tsy hipetra-potsiny ny zandary manoloana ny fanafihan’ny dahalo ny tobin’izy ireo tany Befotaka atsimo ny zoma lasa teo. Nisy avy hatrany ny fandefasana mpitandro filaminana marobe hanampy isa ny efa any an-toerana, hanao haza lambo ireo dahalo ary hamongotra izany hatramin’ny farany. Nahafaly ny rehetra io fanapahan-kevitra haingana sy tsy misy andraso andraso io satria efa tena tsy azo iainana intsony ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny. Tsy any ihany anefa fa saika manerana an’i Madagasikara, eny hatreto an-drenivohitra, dia mirongatra tanteraka ny asan-jiolahy sy ny vono olona.

Somary nanaitra ny maro ihany koa ny fihetsiky ny mpitandro filaminana izay tsy maka fepetra hentitra raha tsy ry zareo mihitsy no voa. Tsy tambo isaina ny fitarainana sy antso vonjy ataon’ny vahoaka manoloana ny tsy fandriampahalemana saingy toa tsy rototra firy ny mpitandro filaminana. Tena manao ny asany izy ireo, nefa kosa, hita fa tsy ampy velively ny ezaka efa atao. Raha tsy misy tranga mahafaty na maha-voatafika mpitandro filaminana, tsy mandray fepetra goavana hanamafisana ny fitandroana ny fahalemana. Lasa ny lojikan’ny valifaty sisa no tena manetsika ny hambom-pon’ny mpitandro filaminana eto amintsika.

Efa tena sangy mihoatra ny loha, rahateo, ny ataon’ireo olon-dratsy izay sahy manafika tobin’ny zandary sy mamono polisy ary miaramila etsy sy eroa. Sangy mihoatra ny loha, nefa ihany koa, maneho fa tena goragora tanteraka ny filaminana eto amintsika ary mitady hanjaka tokana ireo olon-dratsy izay sady ampy fitaovam-piadiana no matetika manana olona ambony mpiaro amin’ny sehatra maro.

Raha ny zava-misy ankehitriny no jerena dia mila hetsika goavana manerana ny Nosy ny fameranana ny fahalemana amin’ny laoniny. Izany hoe, tokony avoaka avokoa ny mpitandro filaminana rehetra tsy an-kanavaka, hanao haza lambo ireo olon-dratsy ary tsy hitsitsy fa hampihatra ny sazy faran’izay henjana.

Tsy takona afenina, ihany koa, anefa ary ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny polisy sy miaramila, ary zandary dia tsy manafina izany velively fa maro amin’ny mpitandro filaminana no miray tendro amin’ireo olon-dratsy. Misy mpamatsy fitaovam-piadiana, misy mpanome toromarika, ary misy tena mpanafika mihitsy. Efa maro no voarohirohy sy tratra ambodiomby tamin’izany raharaha maizina izany nefa inoana fa mbola betsaka ny tsy hita fa mifangaro amin’ireo antenaina hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Mafy ny ady miandry ny mpitandro filaminana satria ankoatra ny fifanandrinana amin’ny jiolahy eny ivelany dia mbola mitandrina mafy ihany koa amin’ireo olon-dratsy tafiditra ao anatiny. Matoa anefa misy ireo mpamadika dia misy raharaha tsy milamina ihany koa ny fitantanana anatiny. Toy ny sehatr’asa rehetra eto Madagasikara dia ny fahantrana sy ny tsy fahampian’ny karama no manosika ny mpitandro filaminana sasany hirona any amin’ny kolikoly sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny olon-dratsy.

Mora rahateo ny mifanome tsiny satria tsy ho takatry ny ety ivelany mihitsy ny olana anatiny sy ny vato misakana ireo mpitandro filaminana tsy ahafahan’izy ireo manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy nankinin’ny firenena sy ny vahoaka taminy.

Ny fitantanana ankapoben’ny fitondrana mihitsy no misy tsy mety ka izay no mahatonga ny sehatra rehetra mivaralila sy tsy mety mahita vokatra mazava mitodika any amin’ny fampandrosoana. Mila fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fitantanana ny fiainam-pirenena eto amintsika fa raha tsy izany dia ho sahiran-dava toy izao ity firenena ity. Mahazo tsikera mafy avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo sehatra rehetra mahakasika akaiky ny fiainam-bahoaka toy ny fitandroana ny filaminana, ny fampianarana, ny fahasalamana, ary ny toekarena. Misy tsy mandeha ao matoa miara-sahirana ireo sehatra rehetra ireo.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre