Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ambohimasoa – Sinoa nanitsaka mpandrefy lalana

Nanatontosa ny fandrefesana ny lalam-pirenena Rn7 teo anelanelan’i Ambohimasoa sy Fianarantsoa ny ekipan’ny B.E topo raha nisy fiara iray nentin’ny sinoa tonga nanao hitsin-dalana ka nandona sy nanitsaka ankitsirano ny lehilahy iray tao anatin’ny fanatanterahana ny asany.

Nipitika tao anaty lakan-drano izay ankavian-dalana ilay voadona, ary tsy nialana nenina nentina tany amin’ny hopitaly akory fa maty tsy tra-drano. Avy any aoriana ilay fiara araka ny voalaza ka tsy nampoizin’ilay niharan-doza, ary tokony any ankavanan-dalana, ihany koa, no nandeha izany fiara izany.

Nana-pikasana hitsoaka rehefa avy nandona ireo sinoa fa tsikarit’izy ireo ny iray tamin’ireo mpiasa naka ny laharana fiara ka nijanona izy ireo. Ny talata 6 oktobra no nisehoan’izany.

Fandonana niniana natao

Rehefa avy nandona ny iray tamin’ireo mpandrefy lalana ilay mpamily dia mbola nanitsy saika hifaoka ny namin’ny maty teny ampita ihany koa. Fandonana niniana natao tsotra izao izy io, araka ny loharanom-baovao satria efa nisy ekipan’ireo mpiasa ireo tany amin’ny 6 kilometatra talohan’io toerana io saika ho domin’ireto sinoa fa nahay niala. Manahy ireo mpiasa noho izany sao dia olona mpifaninana amin’io orinasa mpanao lalana io ka dia manao izay tsy ahavitana izany satria teratany Italianina no tompon’ny asa.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre