Halatra fiara sy fandratrana olona – 20 taona an-tranomaizina no azon’i Prudence
Hentitra ny fitsarana ny amin’ny raharaha nahakasika an’i Jances Prudence manoloana ny tsy fanatrehany ny fitsarana azy, tao Toamasina. Ity farany izay voasaringotra tamin’ny halatra fiara sy fandratrana ny tompon’izany, ny volana martsa 2014. Tsy niseho teny amin’ny fitsarana ny voampanga fa ny anabaviny sy ny reniny no niatrika izany. Taorian’ny famakiana ny antontan-taratasin’ady, sazy 20 taona an-tranomaizina no azon’io tovolahy io ary tsy mahazo mandia faritany ao anatin’ny 5 taona ihany koa sady mbola noteren’ny fitsarana handoa onitra 15 tapitrisa ariary amin’ny mpitory.
Mpiasan’ny orinasa Ambatovy iray any am-ponja
Nadoboky ny fitsarana ao Ambalatavoahangy, any Toamasina, ilay mpiasan’ny orinasa Ambatovy voarohirohy tamin’ny halatra kodiarana tao amin’izany toerana izany. Miisa 3 izy ireo no voampanga fa ny roa nahazo fahafahana vonjimaika ary haverina any amin’ny orinasa ireo kodiarana nangalarina.
Ny 24 septambra lasa iny no nisy nangalatra kodiarana roa lehibe an’ny orinasa voalaza etsy ambony, izay mitentina 5 000 dôlara ny iray. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa mpiasa tao ihany no niray tsikombakomba tamin’izany. Nisy mihitsy ny fidinana nataon’izy ireo tao Moramanga, nahalalana izany, ary nisamborana azy ka natolotra ny fitsarana avy hatrany. Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity nanoloana ireo mpanao famotorana ary nampidirana eny am-ponja vonjimaika.
L.N