Vohémar – Mpihaza iray sarona niaraka tamina gidro efa voasaly
Mpihaza iray no saron’ny polisim-pirenena raha hiditra ny tanànan’i Vohémar, ny alin’ny zoma teo, niaraka tamina gidro miisa 32 efa voasaly, araka ny fanambaran’ny fikambanana tsy miankina miaro ny tontolo iainana malagasy Fanamby. Na dia efa raran’ny làlana malagasy ary mampigadra 2 hatramin’ny 5 taona aza ny fihazana ireny biby arovana ireny dia mbola betsaka ireo minia mandika izany. Niaiky ny heloka vitany io mpihaza io tamin’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy sady mbola nilaza anaran’olona roa mpiray tsikombakomba aminy ihany koa. Efa mandeha ny fikarohana ireo olona ireo ankehitriny, araka ny fanambaran’i Serge Rajaobelina, filohan’ny Fanamby.
« Mitombo ny fihinanan’ny mponina any amin’ny faritra Sava ireny biby arovana ireny, toy ny gidro sy ny sokatra na dia efa eo aza ny fanentanana azy ireo tsy hihinana izany. Ahitana ireny biby ireny ny hotely fisakafoanana any an-toerana na dia tsy hita ao anatin’ny sakafo aroso ho an’ny mpanjifa aza », hoy hatrany ny filohan’ny Fanamby. Tamin’ny taona 2009 no nahatsikaritra ny fisian’io trafika ny biby arovana io ny fikambanana tsy miankina miaro ny tontolo iainana. Efa nisy mihitsy tamin’izany ny fisamborana ireo mpihaza. Hatramin’ny fisian’izany anefa dia miha-mailo ireo mpihaza ary lasa isaky ny alina indray izy ireo no mihaza.
Laurena Nany