Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Vono olona – 10 hatramin’ny 20 taona no sazin’ireo roalahy

Taorian’ny fitsarana ny roalahy namono nahafaty olona tany Brickaville, ny taona 2013, henjana dia henjana ny sazy nomena azy ireo. Niaiky ny heloka vitany izy roalahy nandritra ny fihainoana azy. 10 hatramin’ny 20 taona ary mandoa onitra no didy navoakan’ny Fitsarana mahakasika azy ireto.

Tovolahy mbola tsy ampy taona ny iray tamin’ireo mpamono olona ary fahamamoana no nitarika azy namono nahafaty lehilahy tamin’ny fomba feno habibiana, araka ny fitantarany. Ny fiandohan’ny volana martsa 2013 iny ity tovolahy ity no fantatra fa nandrasarasa tamin’ny antsy olona noho ny hevitra tsy nitovy. Sazy mihatra 10 taona an-tranomaizina miampy fandoavana onitra 2 tapitrisa ariary amin’ny fianakavian’ny maty no azony.

Vono olona niseho tao Brickaville ny taona 2013 hatrany no niampangana ny lehilahy iray 34 taona. Nofirain’ity farany ity antsy ny zana-drahavavin-dreniny. Sazy mihatra 20 taona an-tranomaizina miampy 5 taona tsy mahazo manitsaka faritany sy fandoavana onitra 15 tapitrisa ariary no nomen’ny fitsarana azy.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre