Sambava – Lavanila mitentina 1 miliara lasan’ny jiolahy
Nitrangana fanafihana mitam-basy ny tanànan’i Tanambao-Daoud ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo ary lasa tamin’izany ny lavanila mitentina 1 miliara ariary izay mbola anaty harona plastika « Sous vide ». Andian-jiolahy efa am-polony no tonga tao amin’ilay magazay fitahirizana ny entana ary nandrahona ny mpiambina tamin’ny basy. Manoloana ny vava basy nitohaka tamin’ny tendany dia tsy sahy nanao fihetsika mahery ilay lasibatra fa nanaraka ny sitrapon’ireo mpanafika.
Raha ny vaovao avy any an-toerana, tsy latsaka ny 85 kilao ny lavanila lasan’ireo olon-dratsy ary ny iray fonosana amin’izany dia milanja 10 kilao any ho any. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tamin’izany fanafihana izany.
Ar 400 000 ny iray kilao
Efa mananika any amin’ny 420 000 ariary ny vidin’ny lavanila, ilay tsara indrindra, any amin’ny Faritra Sava amin’izao fotoana izao. Tsy mitsahatra miakatra izany, araka ny loharanom-baovao, ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Hatramin’ny nisokafan’ny fotoam-piotazana lavanila dia mahazo vahana ny fanafihana ataon’ireo jiolahy ary efa betsaka ireo lasibatra no namoy ny ainy. Mampametra-panontaniana ny mponina any an-toerana ihany ny toerana andefasana ireny lavanila halatra ireny satria na dia tratra aza ireo voalaza fa ambadik’izany, ny entana kosa tsy hita popoka.
Laurena Nany