Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambohimangakely – Taksibe telo nifandona, olona 14 naratra

Namoan-tsampona indray ireo taksibe, omaly maraina, tokony tamin’ny 8 ora, teny Ambohimangakely. Fiara fitateram-bahoaka, mampitohy ity kaominina ity sy Behoririka no nifanenjika hamonjy ny renivohitra no nidona tamin’ny fiara iray, hihazo an’Ambohimalaza. Olona maherin’ny folo no naratra mafy vokatr’izany fifandonana izany, araka ny tatitra azo avy amin’ny borigadin’ny zandary, eny an-toerana.

 

Tsy noraisin’ny Homi

« Sendra nandalo avy nanatitra ny miaramilanay teny Mahazo aho no niseho ity loza ity. Ka nandray andraikitra avy hatrany namonjy ireo tra-doza. Naratra 12 no nentinay  ary naterina teny amin’ny hopitaly. Nandeha tao amin’ny hopitaly miaramila izahay, amin’ny maha akaiky azy io. Tsy nety nandray ireo naratra anefa ry zareo ka tsy maintsy nandeha teny amin’ny Hjra izahay », hoy ny tompon’andraikitry ny zandary ao Ambohimangakely. Hatramin’ny omaly hariva, anefa, tafakatra 14 ireo naratra ka ny telo voa mafy, araka ny tatitra farany voangona teny amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha.

Niteraka fahasorenana ho an’ireo mpampiasa iny lalana iny ny fitohanana naterak’ity lozam-pifamoivoizana ity. Tsy afa-nihetsika teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza mihitsy ireo fiara telo ireo noho ny mbola tsy fahatongavan’ny mpanao famotorana. Efa tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any vao nilamina ny fifamoivoizana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre