Miady ho lohany !
Mitodika tanteraka any amin’ny fananganana ny Antenimieran-doholona, ankehitriny,ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Andrim-panjakana iray tsy azo ihodivirana satria voatondron’ny lalàna fa tsy maintsy hatsangana mialohan’ny fiafaran’ny 2 taona voalohany nitsanganan’ny fitondrana. Eo amin’ny famaritana ilay antsoina hoe loholona, sy ny fepetra takiana amin’izany anefa no manalasala ny maro satria, hatreto aloha, dia hita fa mirona betsaka any amin’ny resaka politika ny fanendrena.
Raha ny tena izy mantsy dia olon-kendry, matotra, ary azo ambara fa raiamandreny fakan-tahaka izany loholona izany. Ny eto Madagasikara anefa iaraha-mahalala fa ireo mpanao politika no misisika hiditra ao amin’io andrim-panjakana io. Mpanao politika izay tsy vitan’ny hoe ratsy tondro-maso fa tena henatra ho an’ny malagasy mihitsy. Tia tena, mpangalatra, mpanao fanaparam-pahefana, mpandainga, mpanao fampanantenana poak’aty, mpanakorontana, mpanagadra,…izany hoe olon-dratsy mihaja ny ankamaroan’ny mpanao politika eto amintsika.
Toy ny areti-mifindra ireo fomba fanao ratsy ireo ary efa mihanaka any amin’ny sehatra hafa toy ny fivavahana sy ireo vondrona nentim-paharazana. Tsy tambo isaina ny mpitondra fivavahana, tsy tahotra tsy henatra, tena mijoro sy miditra lalina amin’ny raharaha politika mba hahazo tombontsoa manokana. Misy mihitsy aza ireo sahy milatsaka amin’ny fifidianana, ary tena mpikambana ao amin’ny antoko politika. Tsy azo hadinoina fa efa nisy ary nanana ny lazany mihitsy ny mpitondra fivavahana nanana andraikitra ambony tamin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona. Misy toy izany, ihany koa, ary maro any anaty fitondram-panjakana any, ny olon-dehibe amin’ny rafitra nentim-paharazana no mitana toerana politika. Mampiaka-peo sy misisika mafy hiditra amin’ny andrim-panjakana rehetra misy ny ankamaroan’ireo milaza ho tangalamena sy taranak’andriana samihafa. Tsy hita anefa izy ireny amin’ny raharaha mavaivay mianjady amin’ny vahoaka. Any ambanivohitra dia mangina ny tangalamena sy ny mpitan-kazomanga manoloana ny halatra omby sy habibiana ataon’ny dahalo. Aty an-drenivohitra kosa dia tsy hita popoka ireo milaza azy ho andriana eo anatrehan’ny asan-jiolahy sy ny fahantrana lalim-paka. Samy misisika ny hahazo toerana eo anivon’ny Antenimieran-doholona anefa ny sasany amin’izy ireny. Ireo tena raiamandreny sy olon-kendry dia manetry tena sy tsy hita misehoseho amin’ny fiainam-pirenena fa mananatra mangina any anivon’ny fiaraha-monina any.
Hatreto aloha, raha jerena amin’ny saina tsy miangatra, dia tena lany olomanga i Madagasikara ary tsy misy intsony amin’ireo efa fanta-daza no mahafeno ny fepetra azo tendrena ho loholona. Ny mpanao poltika tsy azo itokisana, ny manam-pahaizana tsy azo ianteherana, ny mpitondra fivavahana tsy azo antenaina, ary ireo mpitondra nentim-paharazana tsy manana ny lanjany intsony.
Iaraha-mahalala rahateo fa tsy ny fahendrena amam-pahalalana intsony no fepetra hifidianana ireo loholona fa ny maha-mpikambana amin’ny antoko politika sy ny fananana fahefana miampy vola aman-karena. Mora kokoa ho an’ny mpitondra fanjakana mantsy ny hanambitamby ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly, vao lany farany teo, mba hanohana izay kandida loholona tiana ho lany. Mbola mamba noana sy mirangorango amin’ny patsa indray mahandro rahateo ireo olom-boafidy avy eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireo ka hanaiky avy hatrany ny mena miraviravy. Mahakely finoana izany ny tena hijoroan’ny Antenimieran-doholona vaovao ho tena fahefana mpanao lalàna hiara-hiasa akaiky amin’ny Antenimieram-pirenena. Ity farany izay efa henatra ho an’ny malagasy noho ny lalao politika izay nandoto azy hatramin’ny nijoroany. Tsy menatra ary tsy miafina mihitsy ny fampiasana ny herin’ny vola hanovana ny firehan-kevitry ny maro an’isa eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Ireo solombavambahoaka, ihany koa, dia tsy manana etika intsony satria manaiky, avy hatrany, ny tsolotra tsaratsara atao azy ireo rehefa haka fanapahan-kevitra. Ataon’ny mpitondra Fanjakana kilalao ny fahefana mpanao lalàna ka tsy misy andrim-panjakana afaka hijoro hiaro ny tena tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka intsony eto satria efa lasa mpiray tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka ny solombavam-bahoaka. Dia toy izany ihany koa no tsy maintsy hiafaran’ireo loholona izay efa hita taratra avy hatrany fa olon’ny fitondrana avokoa no handrafitra azy.
Ravalo tsy Manana