Epp Amboniloha – Mpianatra miisa 215 notolorana fitaovam-pianarana
Ho fanampiana ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia ankizy miisa 215 amin’ny kilasy fahafito, ao amin’ny Epp Amboniloha no nozaran’ny orinasa « Vivo energy Madagascar » fitaovam-pianarana, omaly. Tafiditra ao anatin’ny politika ny Vivo energy amin’ny resaka sosialy ny fampianarana. Mahatratra arivo ny fitaovana nozarain’ity orinasa ity, tamin’ireo sekoly manerana ny Nosy tamin’ity taona 2015 ity. Amin’ny sehatra tahaka izao no ampisehoan’io orinasa io ny fahavononany hanampy hatrany ny fampianarana eto Madagasikara.
« Ny fampianarana dia andraikitra iraisana amin’ny fijerena ny ho avin’ny zanantsika sady fampiomanana azy miatrika ny ho aviny», hoy i Pramouth Domun, tale jeneralin’ity orinasa ity nandritra ny lahateny nataony.
Ny Vivo energy Madagascar dia orinasa mizara sy mivarotra solika sy menaka fiara marika Shell. Mikarakara « tombola » ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao hizarana fitaovam-pianarana mandritra ny taom-pianarana iray manontolo ho an’ireo tsara vintana mividy solika eny amin’ny tobin’ny Shell.
L.N