Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Jiolahy 16 nanafika trano iray – Kiraro iray sy finday no azon’izy ireo

Trano iray misy mpanofa maromaro no notafian’ny andian-jiolahy nitondra antsy lava sy hazo be, teny Ankaraobato Tanjombato, ny alin’ny talata hifoha alarobia omaly. Miisa 16 ireo olon-dratsy nitety ny tranon’ireo lasibatra ka mpanofa telo no noratrain’izy ireo.

Raim-pianakaviana iray 27 taona no lasa tsy nahita rehefa nanohitra ireo jiolahy ireo fa ny vadiny kosa tafatsoaka avy teo am-baravarakely. Ity farany avy eo, niantso vonjy tany amin’ny manodidina sy ny mpifanila-bodirindrana aminy. Vavy antitra iray 70 taona ihany koa no naratra teo amin’ny lohany rehefa nokapain’ireo mpanafika tamin’ny antsy lava. Araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao dia kiraro iray sy finday maromaro an’ireo lasibatra no azon’izy ireo.

Nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra rehefa lasa kelikely ireo jiolahy. Tamin’ny fotoana nitondrana ireo lasibatra tany amin’ny hopitaly dia mbola niverenan’ireo olon-dratsy ilay trano, araka ny loharanom-baovao hatrany. Mbola tsy fantatra hatreto ny zavatra lasa tamin’izany.

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre