Lisea Foulpointe – Very ny solosaina 20 mahery
Vao tsy ela akory no nanoloran’ny fitondram-panjakana solosaina maromaro ny lisea Mahavelona Foulpointe entina ampandehanana ny fampianarana sy ny fanabeazana ny mpianatra ao aminy.Ny alatsinainy 12 oktobra lasa teo anefa, raha nandeha hamonjy ny toeram-piasana toy ny andavanandro ny lehiben’ity toeram-pampianarana ity ny maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, dia nahatsikaritra, ary nahita fa nisy namaky ny efitrano (salle informatique). Rehefa natao ny fitsiriana, dia fantatra fa solosaina manodidina ny 20 isa mahery sy ny kojakoja miaraka aminy no nisy nangalatra. Ny hany tsy fantatra aloha hatramin’izao, na mba misy mpiambina ihany sa tsia, ity sekoly ity, fa fananam-panjakana izao very nisy nangalatra izao tao amin’ny efitrano natokana ho an’izany.
ZOUZOUH Toamasina