Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Minisiteran’ny Atitany – Nandona olona ny fiarany dia nitsoaka

Ramatoa iray no voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana izay an’ny ministeran’ny Atitany, omaly, tokony tamin’ny 9 ora tany ho any, teny Imerinafovoany. Hamonjy seminera teny amin’ny Cci Ivato ireto manam-pahefana no niseho ny loza. Tsy nijanona anefa izy ireo nanoloana ity voina ity fa nanohy ny diany hatrany. « Karakarao fa maika izahay sady tsy maintsy mandeha », io no teny navoakan’ireo mpiambina tao anatin’izany fiara izany.

Tsy nisy mihitsy ny fandraisana andraikitra nataon’ny minisitera ka ireo olona nahita ny fisehoan’ny loza no niantra ilay vehivavy ka nanao tsipaipaika nitondra azy tany amin’ny hopitaly mba hahazo fitsaboana.

« Efa teny amin’ny sisin-dalana ilay ramatoa io voafaoka io. Efa tafasitrika tao ambanin’ny fiara ihany koa izy fa mbola notsahin’izy ireo ihany », hoy ireo nanatri-maso ny loza. Raha ny resaka re teny an-toerana hatrany dia voadona indroa mihitsy io vehivavy io satria tsy nahahitsaka ny hisatra ilay mpamily ny fiara avy aoriana.

Niteraka fahatafintohinana ary resa be ho an’ny olona nanatri-maso sy tao amin’ny tambazotra-tserasera iray ity tsy fandraisana andraikitra nataon’ny minisiteran’ny Atitany manoloana ity tranga ity. Samy nilaza ny tsy fankasitrahana izany fihetsika izany ny rehetra.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre