Fiatrehana loza voajanahary – Nampiofana mpanao gazety ny BNGRC sy ny ICPM
Nanome fiofanana ny mpanao gazety mikasika ny fitrandraham-baovao sy ny fandrindrana izany amin’ny fotoanan’ny loza voajanahary ny BNGRC, izay novatsian’ny ICPM vola. Fampahafantarana ireo voambolana fampiasa miampy fanehoana ireo olana rehetra sedraina ka mahatonga ny tsy fitovian’ny tarehimarika mivoaka rehefa mitranga ny loza no tena nifantohan’ny fiofanana. Nijoro vavolombelona, ihany koa, ny tompon’andriakitry ny ICPM fa azo atao tsara mihitsy ny miarina aorian’ny fahavoazana raha toa ka misy ny tan-tsoroka sy ny finiavana. Na eo aza anefa ny ezaka rehetra ataon’ireo vondrona rehetra miantsehatra amin’ny fisorohana sy iatrehana ny loza voajanahary dia manana andraikitra feno amin’izany ny olon-tsotra izay mety ho voakasiky ny loza. Nanana ny nambarany ihany koa anefa ny mpanao gazety ary namotsipotsitra ny tsy firindrana samihafa avy eo anivon’ny fitondram-panjakana rehefa mitranga ny loza.
Tamin’io fotoana io, ihany koa, no nanoloran’ny BNGRC fitaovana entina hiomanana sy hiatrehana ny loza ho an’ny ben’ny tanàna maromaro any amin’ny kaominina izay ahiana fa misy risika andalovan’ny loza voajanahary mandritra ny fotoanan’ny rivo doza. Marihana fa fiaraha-miasa avy amin’ny PAM no nahazoana ireo fitaovana ireo.
Dôm