Tsy mahita ny ambany maso !
Laharam-pahamehana ny fametrahana fandriampahalemana eto Madagasikara, hoy ny Filoha Rajaonarimampianina ny alarobia lasa teo nandritra ny fanokafana ny seminera mikasika ny fandriampahalemana izay atao eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato ka haharitra hefarana. Notsindrian’ny Filoha mazava fa mifanindran-dalana hatrany ny fitandroana ny filaminana sy ny asa fampandrosoana. Toa manambara avy hatrany io filazan’ny Filoha io fa tsy fantany mazava ny zava-misy eto Madagasikara. Raha milaza mantsy ny tenany fa efa hita soritra ny asa fampandrosoana dia izy ihany no mitsipaka izany amin’ny fanamafisana fa mifampiankina amin’ny filaminana io. Toa tsy fantatry ny Filoha, ihany koa, ny haratsian’ny fandriampahalemana eto amintsika. Tsy fantany fa isan’andro izao dia am-polony ny fanafihana sy halatra mitranga eto an-drenivohitra fotsiny. Miainga amin’ny harom-paosy sy sinto-mahery izany ary miitatra any amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy ny vono olona mampiasa antsy sy basy. Toa adinon’ny Filoha fa na ny mpitandro filaminana aza tsy afa-manoatra manoloana ny herisetran’ireo olon-dratsy. Hatramin’ny tobin’ny zandary no sahin’ny dahalo tafihina ary ny tena zava-doza dia matetika ny samy mpitandro filaminana indray no mitady hifandramatra. Efa nitranga izany tany Fianarantsoa satria saika hifampitifitra ny polisy sy zandary noho ny taratasin’omby tsy mazava. Vao tsy ela akory izay tany Toliara no notafihin’ny miaramila ny manamboninahitra zandary iray. Maneho ireo rehetra ireo fa tena goragora ny fahalemana eto amintsika. Mafy loatra ny tsindry mahazo azy ka tsy mifampatoky intsony ny samy mpitandro filaminana manoloana ny zava-misy rehetra.
Na tsy nolazain’ny Filoha mivantana aza dia hita taratra amin’ny fomba fiteniny fa na izy aza efa tsy miantehitra firy amin’ny mpitandro filaminana intsony amin’ny famerenana ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Izany no nanambarany fa mila ny fifanomezan-tanan’ny rehetra ary miainga eny ifotony ny fanafoanana ny tsy fandriampahalemana. Izany hoe ny vahoaka madinika mihitsy no entanina hiaro ny tenany sy ny fananany ary ny tanànany.Toa tetik’ady ambony latabatra ihany anefa izy io ary tsy mandaitra satria na ireo komando vita fiofanana sy noheverina ho tena tandroka aron’ny vozona aza matetika miala maina manoloana ny jiolahy sy ny dahalo. Tsy hahavita na inona na inona mihitsy ny vahoaka isan-tanàna manoloana ny dahalo an-jatony sady mahay miady no mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsara hofana ary tsara rafitra ny andian-dahalo sy ny jiolahy ankehitriny ka tsy vitan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny andrimasom-pokonolona ary ny kalaony intsony ny miady amin’izy ireo.
Firifiry ny olona efa namoy ny ainy rehefa tsy nanaiky lembenana fa niaro tena nanoloana ireo mpanafika. Aty an-drenivohitra dia tsy misy sahy mivoaka ny trano ny olona hamonjy ireo iharan’ny fanafihana, noho ny tahotra ho voatifitra. Toy ny amin’ny sarimihetsika rahateo dia efa tara hatrany vao tonga ny mpitandro filaminana ka tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Misy mihitsy aza sahy milaza fa tsy sahy mifampitifitra amin’ny jiolahy ny polisy sy zandary fa miandry ireo olon-dratsy handositra ary manokatra fanadihadiana avy eo hahalalana ny tena marina. Ny zava-misy efa noporofoin’ny mpitandro filaminana aloha dia ny hoe misy naman’izy ireo tena tafiditra amin’ireny fanafihana mitam-piadiana ireny. Efa maro ny tratra saingy inoana fa mbola misy ihany koa amin’ireo am-perin’asa any. Tsy mahagaga raha any amin’ny mpanendaka sy ny mpivarotra rongony no tena ifantohan’ny fanenjehana ataon’ny polisy sy zandary fa tsy dia miditra loatra amin’ny fifandonana mivantana amin’ireo jiolahy mitam-piadiana izy ireo. Koa raha ny mpitandro filaminana aza mitandrina mafy mba tsy hamoy ny ainy amin’ny fifandonana amin’ny jiolahy, inona moa no ho vitan’ny vahoaka tanam-polo amin’ny hetsika famerenana ny fandriampahalemana? Hiady amin’ny jiolahy tsy handresy, hiantso ny mpitandro filaminana tsy ho avy ireto farany.
Ravalo tsy Manana

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny