Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Mpanendaka iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any Toamasina. Ankoatra ny vaky trano dia manjaka ihany koa ny fanendahana any an-toerana. Tovolahy iray izao no niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny fokontany Ankirihiry Atsimo parisela 11/23 rehefa saron’ny fokonolona nanendaka. Ny harivan’ny talata 20 oktobra, tamin’ny 7 ora no nisehoan’izany.

Lasan’ity mpanendaka ity ny lelavola mitentina 400 000 ariary sy finday ka nifanenjahan’ny fokonolona. Tsy lasa lavitra anefa ity farany dia tratra ary nanaparan’ny vahoaka ny hatezerany. Rehefa tonga teny an-toerana ny polisy, olona miala aina no hitany ka nentina avy hatrany teny amin’y tobim-pahasalamana. Ilay zavatra nangalariny kosa efa vita pasipasy tamin’ireo namany ka tsy hita intsony, araka ny loharanom-baovao.

 

Hamaly faty ny iray fiaviana amin’ny naratra

 

Antandroy ity tovolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ity. Manoloana io tranga io dia nilaza tsy hipetra-potsiny amin’izao ny iray fiaviana aminy fa tsy maintsy hamaly faty ilay olona voaendaka, araka ny loharanom-baovao hatrany. Nanao be midina tao amin’ny fokontany voalaza etsy ambony izy ireo nikaroka io olona io. Nanara-maso hatrany ny mpitandro filaminana ka voasoroka ny valifaty. Fa hatramin’ny omaly maraina dia fantatra fa mbola mihaodihaody manodidina ny tranon’ilay lasibatra ireo olona sasantsasany iray fiaviana amin’ilay olon-dratsy mikaroka ireo nidaroka. Mba hisorohana ny loza mety hitranga dia voatery nametrahana mpitandro filaminana eny an-toerana manara-maso ny fandehan-javatra.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre