Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Betioky Atsimo – Raim-pianakaviana nodarohana MCT

Noho ny herisetra nataon’ny Mpikamban’ny kongresin’ny tetezamita (MCT) teo aloha  sy ny namany iray dia potika tanteraka ny maso havian’i Randrianiriko Vahinisoa Régis, raim-pianakaviana 39 taona, ary mitondra takaitra mandrakizay izy, araka ny « certificat médical de consolidation » navoaka ny mpitsabo ao Toliara, ny 15 oktobra lasa teo.

 

Lonilony sy fialonana

Raha ny fanazavan’ ny niharam-boina nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro, dia efa ela ity  MCT ity no misetrasetra sady mila vanona taminy noho ny fialonana. « Tezitra ny iray satria resy ny ekipa notohanan’ny tamin’ny lalao baolina kitra tao Bezaha Betioky Atsimo ka nisotasota tamiko izy. Novonoina teo imasom-bahoaka aho ny 11 aprily 2011, ary tsy namelan’izy ireo raha tsy potsitry ny totohondry tanteraka ny masoko havia ka tsy mahita intsony aho hatramin’izao ».

 

Nitory MCT taloha

Noho ny ratra mafy nahazo an’i Régis dia tsy tafatsangana am-pandriana nandritra ny iray volana nahery izy. Ary ny tahotry ny mety ho fitsaram-bahoaka dia nifona tamin’ireo raiamandreny be tao Bezaha ity MCT ity. Taorian’ny kabary dia nanome vola 4 hetsy ariary nitsaboana an’i Régis izy, ary nampanantena handoa vola 25 tapitrisa ariary, nefa efa-taona aty aoriana mbola tsy azo ny vola, fa fampirohorohoana hatrany no setrin’izany. « Noho ny fitaka sy vono nihatra tamiko dia nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana aho, izay mitory azy roalahy namono sy nampitondra takaitra ahy mandra-pahafatiko », hoy Vahinisoa Régis namarana ny fanazavany.

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre