Halohalika ny ranom-bary
Dobo Antananarivo nefa vao orana kely monja no nirotsaka nandritra ny roa andro. Voatery manao sambo tsy fidiny ao anatin’ny ranobe ny fiara. Mitohana ny fifamoivoizana. Manararaotra maka aina ihany koa ireo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana sasany vao manomboka manerikerika ny andro. Mety ho efa be ny asa vita, na betsaka koa ny azo. Mangin’izany rehetra izany ny lavaka manerana ny arabe. Efa tamin’ny taon-dasa no niainana ny toe-javatra tahaka izao raha ny teto an-drenivohitra. Nihamafy aza izany tamin’ny fiandohan’ny taona teo noho ny rano be sy ny fahavakisan’ny fefiloha ary ny fihotsahan’ny tany. Ho avy indray ity ny fahavaratra . Toa tsy nisy fiovany fa toa vao mainka aza niharatsy ny toe-draharaha. Tsy ny eto Antananarivo renivohitra ihany no voakasiky ny fahasahiranana fa saika manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy.
Nilaza ny tompon’andraiki-panjakana, tamin’ny taon-dasa, fa asa maika no tsy maintsy atao aloha satria tsy ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana no fanaovana ny asa maharitra. Ireo fandravana trano no hitan’izy ireo ho anisan’ny asa maika tamin’izany. Na nisy aza ny fimenomenomana, nanaiky mora daholo ny rehetra fa ny atody tsy miady amam-bato. Tsy afaka hiady amin’ireo be basy ts’inona. Niandry ny rehetra nandritra ny fotoanan’ny main-tany ny amin’ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa : fanamboaran-dalana, ny fanalana ny fako any anatin’ireo tatatra sy lakandrano, ny fepetra sy fanamafisana ho an’ireo faritra avo, sns. Fa samy niandry an-dRajao varian’ny lavitra nitety izao tontolo izao. Tsy nisy asa vita. Mbola tsy halohalika tokoa angamba ny ranom-bary ho an’ny mpitondra. Mbola manga ny lanitra. Mamirapiratra ny masoandro ary tsy misy na aloka kely akory fa dia miadana tsy amin’ahiahy.
Ny an’ny vahoaka no efa maizina ny ho avy. Halohalika ny ranom-potaka. Efa tonga ny manainga zipo. Manampy trotraka ny fahasahiranana efa mianjady amin’ny mponin’ny renivohitra ny fitohanana lavareny. Lany anaty taksibe ny fotoana kely hany mba hikarakarana ny ankohonana. Maro no alina be vao tonga any an-trano. Halohalika ny ranom-bary. Mitebiteby ireo mponina amin’ny faritra avo. Hanao ahoana ity fahavaratra ity ? Manahy ny eny amin’ny faritra iva, ho tonga hatraiza indray ny rano ? Mety ho firy volana no tsy maintsy hiainana izany rano maimbo izany.Ho an’ireo mipetraka any amin’ny faritra : ho firy volana indray no fahatapahan’ny làlana ? Zara fa nisy mantsy ny fanamboaran-dàlana ary toa vonjy tavan’andro fa tsy maharitra izany fanamboarana natao, raha tsy hilaza afa-tsy ny làlana mampitohy an’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa, izay mampikaikaika ny mponina.
Toa vita ihany ny main-tany fa tsy misy rirany ny fanamboarana ny lalana mankany Ambatondrazaka, sompitry ny vary. Hanampy trotraka ny fahasahiranana, izay efa tsy hita izay hanaovana azy, ny faharatsian’ny lalana sy ny mety ihany koa ny vidangan’ny vidim-piainana.Fahasahiranana izay toa tsy hitan’ny mpitondra raha mahita fa vola be amina miliara no lany isaky ny misy ny dia mankany ivelany. Ny vanim-potoana tokoa angamba no tsy mitovy fa sendran’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Mbola anaty lohataona sy miaka-bokatra ny mpitondra fa efa anaty fahavaratra sy maitso ahitra ny mponina. Any amin’ny 2018 any, raha izao no mitohy, ho tratran’ny maitso ahitra ihany ny mpitondra ary dia halohalika ny ranom-bariny. Ny herikerika mantsy mahatondra-drano. Rehefa mitompo amin-drafirobarobana, tsy maintsy ho lany ihany ny vatsy
an-dalana.
FR