Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ambatondrazaka – Mampiasa fanafody gasy anaty sofina ireo mpangarom-paosy

Mahita tetika vaovao hanohizana ny asa ratsiny hatrany ireo mpangarom-paosy any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Fantatra amin’izao fotoana izao fa mametraka fanafody gasy anaty lavan-tsofina indray ireo mpanao ratsy. Ary efa tsy lahy tsy vavy fa manao izany asa izany avokoa ny an-toerana. Tsy tahotra tsy henatra izy ireo misava ny paosin’ny olona izay hazainy, ka ireo mpiantsena ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka no tena lasibatra, araka ny loharanom-baovao.

Efa maro ihany koa ireo mpivarotra sy olona mahatsikaritra ireo mpangarom-paosy fa tsy sahy miteny, matahotra ny iharan’ny valifaty sao misy naman’izy ireo mihaodihaody manodidina eny. Fantatra tsara ny fomba fiasan’izy ireny fa tsy mba mandeha irery, misy namany foana eny amin’ny manodidina eny.

Noho izany zava-misy izany, mangataka indray ireo mponina ny hamerenana ny polisy kaominaly mba ahafahana miaro ny mpiantsena sy ny mpivarotra izay lasa mitaintaina lava amin’ny afitsok’ireo jiolahy.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre