Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ankeniheny Zahamena – Voasazy iray volana an-tranomaizina ireo mpitrandraka volamena

Ny talata 19 oktobra lasa teo, no niakatra fitsarana tany Toamasina ilay raharaha fitrandrahana volamena tsy nahazoana alalana tao amin’ny valan-javaboary arovana Ankeniheny Zahamena mifanila amin’ny Distrikan’i Vavatenina. Taorian’ny fihainoan’ny mpanao famotorana azy roapolo mahery dia miisa 4 ireo notazomin’ny Fitsarana ary niharan’ny sazy. 29 andro an-tranomaizina sazy mihatra miampy lamandy Ar 50 000 no azon’izy ireo.

Fantatra fa ny 18 tamin’ireto mpitrandraka volamena no voasazy 10 andro sazy mihatra an-tranomaizina sy lamandy Ar 50 000 ihany koa, sazy izay tapitra androany 23 oktobra noho izy ireo efa notazomina am-ponja vonjimaika nanomboka ny 13 oktobra lasa teo.

Raha tsiahivina, olona miisa 24 no voasambotra tao Ankeniheny Zahamena ary naiditra am-ponja vonjimaika, tao Ambalatavoahangy any Toamasina, ny 13 oktobra 2015.

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre