Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Fisolokiana – Olona roa voasambotra, iray hafa mbola karohana

Lehilahy iray sy vehivavy iray mpisoloky no voasambotry ny polisy, teny Ampefiloha akaikin’ny sekoly LMA, raha nikasa hisoloky mpianaka hividy fitaovana ilaina amin’ny fanaovan-trano teny amin’ny mpivarotra iray eny Isotry, ny alarobia 21 oktobra lasa teo. Iray hafa kosa mbola karohana ankehitriny.

Rehefa avy nanontany vidin’entana teny an-toerana   izy mianaka dia nikasa ny hampitovy vidy any amin’ny mpivarotra hafa. Nisy lehilahy iray anefa nanatona azy ireo  sady nilaza fa manana ilay entana amin’ny vidiny ambany kokoa fa mbola any amin’ny “dépôt”. Tamin’izay indrindra no nisy ramatoa sy rangahy avy nanatona azy ireo sady nilaza fa hividy entana toy ny azy mianaka koa ka afaka ampiarahina ary miaraka aterina amin’ny kamiao iray avy eo. Rehefa nifanaraka teo izy rehetra ireo dia raikitra fa ilay ramatoa lehibe tamin’izy mianaka sy ilay vehivavy iray tonga faharoa no mijanona miandry eo fa ilay lehilahy nilaza fa manana entana sy ilay rangahy hanambatra izany amin’izy mianaka no niaraka tamin’ilay vehivavy, zanak’ilay ramatoa, handeha hijery ilay entana any amin’ny “dépôt”. Fotoana ela ela vao niverina ny iray tamin’ireo rangahy fa ilay vehivavy  kosa tsy tonga teo ka nihoraka sy nikorapaka ilay reniny.

Nitsoaka avy hatrany kosa ilay ramatoa hafa niandry teo sy ity lehilahy voalaza etsy ambony ka raikitra ny fanenjehana ka tratra teo anoloan’ny LMA izy roa ireo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana fa mpinamana ihany izy telo ireo ary mpihavana ihany koa ireto voasambotra ireto. Niaiky izy ireo fa mpisoloky ary efa asa fivelomany mihitsy izany. Nilaza ihany koa izy ireo fa mampiasa fanafody gasy fandraikirekena rehefa manao ny asa ratsiny. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre