Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Biby arovana – Silky Sifaka roa arivo sisa tavela ao amin’ny alan’i Marojejy

Karazana roa sisa ny gidro tavela ao amin’ny valan-javaboarin’i Marojejy ankehitriny dia ny Silky Sifaka sy ny Indri, izay tena tandidomin-doza tanteraka amin’izao fotoana izao. Miisa 2 000 sisa ny Silky Sifaka ao amin’io ala arovana io, araka ny tatitra nataon’ny Dr Erik Patel avy ao amin’ny SAVA Duke Conservation Center, omaly, tao amin’ny Centre de presse malagasy nandritra ny resadresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, momban’ ny fampandrosoana ny fiveloman’ny olona sy ny fiarovana ny hamaroanaina. Marojejy izay hita any amin’ny Faritra Sava, ao anatin’ny distrikan’Andapa, ary ahitana ala amin’ny toerana ambony lehibe indrindra eto Madagasikara.

Ny antony mahalany tamingana ity biby ity araka ny fanambarany hatrany dia ny tsy firarahiana ny olana atrehin’ny mponina any an-toerana. « Fa ny tena zava-dehibe dia fanaovan’ny olona tavy sy ny haza ary ny fangadiana tany amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany. Mba hitsinjovana ireo biby dia hisy tetik’asa atao ampihenana ny tsindry amin’ny toerana onenan’ireo Sifaka ireo. »

Misy paik’ady telo entina hanatsarana ny alan’i Marojejy, izay vokatry ny fikarohana nataon’i Madagasikara miaraka amin’ny Union international pour la conservation de la nature (UICN). Ny voalohany, ny fanatsarana ny toera-pizahantany. Ny faharoa, fanatsarana ihany koa ny toerana voafaritra hanaovana fikarohana. Ny fahatelo farany dia ny fanatsarana ny fitantanana ny mponina any an-toerana, mba hahazoana vokatra tsara.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre