Mitaraina ny fianakaviana
Maty tamin’ny taona 2014 i Razafindrafara Geneviève. Mpiasam-panjakana nanompo ny firenena nandritra ny 30 taona mahery. Tao Morondava no toeram-piasany mialoha ny nandehanany any amin’ilay tena fialan-tsasatra farany.
Namela zaza iray mbola tsy ampy taona io vehivavy io. Rehefa nokarakaraina ny “secours de decès” sy “pension d’orphelinat” ho an’ilay zanaka navelany dia mbola tsy misy valiny foana efa ho roa taona latsaka taty aoriana nametrahana ilay “dossier”. Na izany na tsy izany iray taona maninjitra no nikarakarana izany tao amin’ny Cisco Mahabo sy Dren Menabe vao lasa tany amin’ny “Finance” Morondava ilay izy. Tafapetraka soamantsara tao izany ny antontan-taratasy tamin’ny 20 janoary lasa teo fa mbola tsy misy valiny foana efa ho folo volana
aty aoriana. Voatery nidina tany an-toerana ny tompon’ilay “dossier” ny voalohandohan’ity volana ity ary nilaza ny olona nandray azy fa tsy misy an’izany “dossier” izany nandalo tao amin-dry zareo !
Rehefa nidrikina anefa ny tompon-draharaha, dia nanaiky nitady ihany ireo tompon’andraikitra tany an-toerana ka hita ihany ny boky misy ny “référence” nandraisan-dry zareo ilay antontan-taratasy. Rehefa nojerena ilay bokin’andraikitra dia ny 20 febroary 2015 no voasoratra ao, kanefa dia misy porofo mazava tsara fa naterina tao ny 20 janvier 2015 io
“dossier” io. Izany hoe napetraka tao amin’ny “réception finance” ilay izy ary iray volana aty aoriana vao voarain’ny birao mikarakara azy ao an-toerana ihany.
Notadiavina amin’izay ireo antontan-taratasy ireo, kay tsara pirina any anaty vata sarihina misy ny momba ny fisotroan-dronono. Ilay dosie momba ny “Secours décès” kosa lazain-dry zareo fa efa lasa any Toliara tamin’ny 10 jolay 2015 ka mila jerena ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny karama an-drenivohitra Atsimo-Andrefana. Nomen’ilay mpiasa « référence » mihitsy ilay tompon’ny dosie. Voatery nandeha nankany Toliara indray izany ny solontenan’ny
fianakaviana hanaraka ilay dosie sy hijery azy. Efa ohatrinona izay ny vola lany ?
Nony tonga tao amin’ny birao misahana ny karama ny solontenan’ny fianakaviana dia
milaza ilay tompon’andrakitra ao Toliara fa tsy misy izany “dossier” izany ao. Natao ny fikarohana ka hany herin’ny solontenan’ny fianakaviana dia niverina nody aty Antananarivo namonjy ny asany. Ny vola lany !
Tsy fantatra eto na ny tao Morondava no tsy nandefa na ny ao Toliara no nanary ilay “dossier”. Ny azo antoka dia tsy manao ny asany an-tsakany sy an-davany avokoa ireo mpiasam-bahoaka ireo na ny tao Morondava na ny any Toliara satria telo volana taorian’ny nialan’ny “dossier” tany Morondava dia mbola tsy tonga any Toliara foana “hono” ilay izy.
Marihina fa tena nisafidy ny hanaraka ny fomba ara-dalàna ny fianakaviana rehefa nikarakara io “dossier” io fa tsy nanisi-bola tamin’ireo mpikarakara, ka asa na izany no antony tena mampalaina ireo mpiasam-panjakana hanao azy ity. Koa dia manao antso avo ho any amin’ny minisitry ny Vola, ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Repoblika ary ny Bianco mba hanara-maso marina ny asam-panjakana fa izao no tena iainan’ny vahoaka rehefa mikarakara taratasim-panjakana. Izao no atao hoe “lenteur de service” araka ny teny efa mahazatra sy mankaleo ny maro.
Ary mitodika indrindra amin’Atoa Praiminisitra manokana izay nilaza ny 28
janoary lasa teo fa tsy maintsy 72 ora dia ho vita ny fikarakarana taratasim-panjakana ary 7 andro fara fahelany dia tokony ho vita sonia ny taratasy rehetra mila izany ao amin’ny “administration”! Kanefa dia izao no iainan’ny vahoaka madinika ankoatry ny delestazy sy ny tsy fandriampahalemana !
Solo R.