Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Diovy ny tanàna !

Efa olona miisa 5 no voatsatoka antsy ary nisy namoy ny ainy vao tonga any amin’ny mpitandro filaminana foibe ny tatitra mikasika ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny boriboritany fahatelo. Nandray andraikitra avy hatrany ny sampan-draharaha miady amin’ny asan-jiolahy eo anivon’ny polisy nasionaly ka nidina ifotony teny an-toerana ary nanao fisamborana faobe an’ izay rehetra nijorojoro harivariva teny ampitan’ny kolejy Rasalama, izay toerana fanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Nisy ihany ireo nimenomenona hoe tsy nisy fanadihadiana akory fa tonga dia nobedain’ny polisy izay olona rehetra hitany teny. Maro kosa anefa ireo nankasitraka ity hetsika ity satria tsy misy tandroka ny ratsy ary izay rehetra heverina ho mety manana fanampim-baovao ahafahana manohy ny fanadihadiana hitarika any amin’ny fisamborana ireo mpanao ratsy dia mila alaina am-bavany avokoa. Mbola maro rahateo ny olona no tsy rototra amin’ny fanampiana ny polisy hahalalana ny tena marina ka mila terena vao manao izany. Raha ny zava-misy sy ny fitantaran’ny mponina eny amin’ny manodidina mantsy dia eo an-toerana hatrany ny ankamaroan’ireo rehetra nosamborina ireo amin’ny fotoana fisehoan’ny fanendahana miaro herisetra. Izany hoe mety mahafantapantatra mikasika ireo olon-dratsy ny sasany amin’izy ireo.

Mila diovina ny tanàna fa tena hanjakan’ny olon-dratsy amin’ny asa fanendahana miaro herisetra. Na eo aza ny andrimasom-pokonolona dia ny mpitandro filaminana ihany no tena antoky ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Raha ny tokony ho izy dia mila polisy sy zandary mifanarestaka andro aman’alina amin’ny faritra rehetra mihitsy eto an-drenivohitra. Manana ny mpitandro filaminana ampy hanao izany isika satria saika mivangongo eto avokoa ny tobin’izy ireo. Eny amin’ny manodidina ny boriboritany fahatelo izay faritra tena mampidi-doza iny izao dia sady misy kaomisarian’ny polisy Antaninandro no ahitana tobin’ny zandary eny Betongolo, ary toby miaramila eny Ampahibe. Izany hoe raha avoaka hanao fisafoana eny amin’ny manodidina avokoa ny mpitandro filaminana vita fiofanana avy amin’ireo toby rehetra ireo dia inoana fa ho foana ao anatin’ny iray andro ny asan-jiolahy eny an-toerana.

Saika toy izany avokoa ny zava-misy manerana ny renivohitra satria ahitana toby na biraon’ny mpitandro filaminana daholo. Eny amin’ny faritra avo izao dia misy kaomisaria sy ny etamazoro jeneralin’ny tafika. Na tsy  manenjika jiolahy aza no asan’ny miaramila dia efa nilaza ny lehiben’izy ireo fa vonona ny hiady sy hamongotra hatramin’ny farany ireo fahavalom-pirenena tsy ankanavaka. Efa fahavalom-pirenena ny jiolahy sy ny mpanendaka satria sahy mamono sy mandripaka ny malagasy.

Mila diovina ny tanàna ka andraisana fepetra faran’izay henjana ireo mpanao ratsy mba tsy hisy hamerina intsony. Rehefa tsy ampy mantsy ny fandraisan’andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana dia ny vahoaka no handray an-tanana ny fiarovana ny tenany sy ny tananany. Iaraha-mahita anefa fa tena zava-doza ny fitsaram-bahoaka eto amintsika satria mihafara amin’ny famonoana ho faty izay olona tratra na dia ahiahiana fotsiny ho olon-dratsy aza. Efa leon’ny tebiteby sy ny tahotra ny fokonolona ka miditra amin’ny lojikan’ny “raha maty aho matesa rahavana” ary tsy manisy lanjany intsony ny ain’olombelona. Lasa maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, ary aina solon’ny aina sisa no foto-pisainana entin’ny vahoaka hiarovana ny tenany manoloana ny herisetra sy tsy fandriampahalemana.

Mila diovina ny tanàna ary mila hetsika goavana sady mahery vaika avy amin’ny mpitandro filaminana mba hanafaizana tanteraka ireo olon-dratsy rehetra tsy ankanavaka. Baiko avy amin’ny fitondrana foibe ihany anefa no ahafahan’izy ireo manatanteraka izany. Rehefa ny sendika sy fikambanana samihafa no mihetsika afaka mampiasa herisetra ny polisy sy zandary ary miaramila fa rehefa ny jiolahy no manao ny ataony toa tsy hita firy izay fandraisana andraikitra. Tsotra ny fangatahan’ny vahoaka: diovy ny tanàna! Aripaho ny olon-dratsy!

 

Ravalo tsy Manana

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre