Fonja – Gadra maherin’ny 5 000 tsy ampy sakafo
Araka ny lalàna malagasy sy ny fenitra iraisam-pirenena mahakasika ny famonjana dia tsy maharaka ny filan’ny voafonja intsony ny foto-drafitr’asa sy ny fiahiana azy ireo. Be loatra ny gadra eto Madagasikara, izay midika fa mitombo manaraka izay ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna. Manoloana io trangan-javatra io dia sahiran-tsaina ny mpitsara satria tsy maintsy mandanjalanja ny olona ampidirina am-ponja sy omena sazy vonjimaika. « Raha tsy ampidirina am-ponja ny olona dia tsy afa-po ny mpitory », hoy ny minisitra ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline, omaly, teny amin’ny Sekolim-pirenena manofana mpitsara sy mpitantsoratra na ENMG Tsaralalàna, nandritra ny atrik’asa nandinihana ny fomba hanamaivana ny vesatra ny Fanjakana amin’ny hamaroan’ireo voafonja maro.
Amin’ny alalan’io atrik’asa io no hijerena ny olana sy ny hanomezana vahaolana mety ampiharina avy hatrany izay iarahana manapaka miaraka amin’ny mpiasa sy ny mpandraharahan’ny fonja, ny mpitsara ary ry zareo avy ao amin’ny CICR.
Fantatra ankehitriny fa voafonja maherin’ny 5 000 manerana ny Nosy no tratran’ ny tsy fanjarian-tsakafo satria maro loatra izy ireo ka tsy araka ny vola hikarakarana azy. « Na izany na tsy izany dia atao ho laharam-pahamehana ny sakafon’ireo voafonja », hoy hatrany ny minisitra. Any Toliara izao dia misy gadra maherin’ny 700 nefa 250 no zakan’ny fonja.
L.N