« Permis de conduire sécurisé » – Hiadiana amin’ny kolikoly
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny talata teo, teny amin’ny lapan’ny Faritany Ambohidahy, ny fampahafantarana ny « Permis de conduire sécurisé », izay fomba vaovao hiadiana amin’ny kolikoly ary ialana amin’ny fahazoan-dalana mitondra fiara vita taratasy. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tontolo fanavaozana sy fampiasana ny teknolojia maoderina.
Fahazoan-dalana mitondra fiara vaovao izay tsy afaka atao hosoka satria ahitana ny mahakasika ny olona tompon’izany amin’ny alalan’ny diam-panondrony. Amin’izany no hahafantarana ny taona nahazoana ilay fahazoan-dalana. Efa misy ny fitaovana voatokana hanamboarana izany izay avy amin’ny orinasa Cetis. Izany dia tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina mandritra ny 5 taona. Rehefa tapitra kosa io fifanarahana io dia lasa fananan’ny malagasy ilay fitaovana. « Tsy misy zavatra aloan’ny fanjakana amin’ny fitaovana rehetra ampiasaina omena ireo mpanjifa ireo », araka ny fanambaran’ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Mahafaly Olivier.
Ho an’ireo ivelan’ny renivohitra dia manatona any amin’ny toerana fanaovana fanadinana voatokana amin’ny fianarana mamily fiara, ary maka sary ireo olona hanamboatra izany. Mahakasika ilay fahazoan-dalana mamily fiara taloha kosa dia omena fe-potoana 2 taona ireo manana izany ahafahana manavao ny azy.
Laurena Nany