Soavinandriana – Nampandosirina ny zandary sy ny fianakaviany
Matahotra ny iharan’ny valifatin’ireo dahalo ka zandary miisa 3 miaraka amin’ny vady aman-janany no voatery nesorina tao amin’ny toby, Bezavana, kaominina Mahavelona, ao anatin’ny distrikan’i Soavinandriana.
Nitrangana halatra omby tany an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro iny, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Dahalo roa no fantatra fa nandroba ombin’olona miisa 2 ka ny alatsinainy maraina vao tsikaritry ny tompon’ny omby ny tsy nahateo ireo bibiny. Ireo zandary telo lahy ireo no nanampy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ireo omby ka ny androtr’io ihany, tokony ho mitatao vovonana dia hita izany fa ireo mpangalatra kosa vaky nandositra.
Nitohy ny fikarohana ireo olona ireo ka nisy fikasana nisambotra ny lehilahy iray izay ahiahiana ho nandray anjara tamin’io fangalarana io fa nitsoaka avy hatrany raha vao nahita ireo mpanara-dia. Raikitra ny fanenjehana ary efa tany amin’ny kilometatra maro no tratra ity olona voalaza. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary, izy efa potraka tamin’ny tany tsy nahatsiaro tena no nosamborina. Nentina tany amin’ny hopitaly ity farany izay efa tsy misy aina intsony, araka ny nambaran’ny mpitsabo.
Teo no niandohan’ny disadisa satria tsy nanaiky ny havan’ny maty ary nilaza fa tsy dahalo izany io olona maty io ka tsy maintsy hamaly faty izy ireo. Voatery niala tao an-tanàna ireo mpitandro filaminana ombam-bady aman-janaka mba hisorohana ny loza mety hitranga.
Laurena Nany