Fampanantenana poak’aty !
Tsy nifarana akory ny delestazy fa vao maika aza nihamafy. Diso fanantenana ny vahoaka tamin’ny fanambaran’ny filoham-pirenena sy ny tale jeneralin’ny orinasam-panjakana Jirama satria vao maika nihamafy ny fahatapahan-jiro. Sady maharitra be no miverimberina. Ny Jirama anefa nilaza fa hifarana tanteraka ny delestazy ary na misy aza ny fahatapahan-jiro dia tsy maharitra fa mandalo kely fotsiny.Tsy atahorana intsony ny fahatapahana noho ny antony teknika hoy ny fampanantenan’ny tale jeneralin’ny Jirama. Izany hoe rehefa tsy ara-teknika dia politika izany izao fahatapahan-jiro lavareny izao. Toa mitarika ny sain’ny vahoaka hihevitra fa tena misy manao sabotazy mihitsy ao amin’ny Jirama ao. Efa ny filoha sy ny tale jeneraly izao no miteny nefa mbola tsy tontosa ihany izay nampanantenaina. Tsy milamina ao amin’io orinasa io ary misy fomba fiasa tsy mazava ka mila jerena akaiky fa tena lasa mamono vahoaka.
Misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro mantsy ity delestazy tsy ahitam-panafany ity. Ohatra akaiky amin’izany ny eny Andravoahangy ambony, eo amin’ilay toerana famonoan’ny mpanendaka olona. Vao milatsaka ny haizina, ilay fotoana fodian’ny mpiasa sy ny mpianatra iny dia tapaka ny jiro. Haizim-pito tsy hifankahitana eny an-toerana ka tsy mahagaga raha manjaka ny herisetra sy ny fanendahana. Misy milaza mihitsy ny mponina manodidina hoe sao dia mba fanahy iniana entina andripahana ny vahoaka aza ny fanapahana ny jiro eny an-toerana amin’ny ora fanafihan’ny olon-dratsy. Tombatombana ihany izany rehetra izany nefa toa misy ny fifandrifian-javatra. Ny ahiahy rahateo tsy hihavanana ary ny aina tsy ananam-piry koa samia mailo ny rehetra raha vao misy trangan-javatra hafahafa.
Na inona anefa na inona ao ambadik’izao delestazy tsy mety mifarana izao dia tompon’andraikitra feno ny eo anivon’ny fitondram-panjakana satria izy ireo no mpiahy mivantana ny fiainam-bahoaka. Izy ireo ihany koa no nampanantena vahaolana haingana sy maharitra nefa tsy mahatanteraka izany. Tsy azo hadinoina anefa fa tsy miasa maimaim-poana ireo tompon’andraiki-panjakana fa mikarama sy mahazo tombontsoa maro avy amin’ny volam-bahoaka. Izany hoe tsy asa soa no takiana amin’izy ireo fa tena voafaritra tanteraka amin’ny lalàna sy ny rariny ary ny hitsiny.
Tsy mifantoka amin’ny tanjona tokana no tena mahavoa ity fitondram-panjakana ity fa kitihina avokoa ny raharaha izay ahafahana misehoseho rehetra. Tsy mahagaga raha tsy mety mahita vokatra misongadina fa miantehitra amin’ny fitokanana kely madinidika etsy sy eroa entina hambaboana ny fon’ny vahoaka. Raha natao laharam-pahamehana hatrany am-boalohany ny fividianan’ny Fanjakana gropy ho an’ny Jirama sy piesy ho an’ireo milina simba dia inoana fa efa nivaha hatry ny ela ity resaka delestazy ity. Variana tany amin’ny sehatra hafa izay tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka akory, toy ny fividianana fiaramanidina sy ny fikarakarana atrikasa sy fivoriana etsy sy eroa anefa ny mpitondra ka tsy zarizary ny fanaraha-maso ny famahana olana mikasika ny delestazy. Lasa fampanantenana poak’aty avokoa ny tetikasa rehetra satria ny eo tsy manomboka, ny hafa anefa lazaina fa ho tanterahina. Mila mifantoka amin’ny laharam-pahamehana tena maika hanavotana ny firenena toy ny fanafoanana ny delestazy, ny fametrahana fandriampahalemana, ny fahasalamana ary ny fampididinana ny vidim-piainana ny Fanjakana raha te hahita vokatra misongadina ho an’ny vahoaka. Ankoatra ireo dia mbola fandanian’andro ihany ny fandaminana ara-politika toy ny fananganana ireo andrim-panjakana samihafa izay handany ny volam-bahoaka fotsiny fa tsy hirotsaka an-tsehatra mivantana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana akory. Atsipy ny tady an-tandroky ny omby, ary alefa ny bala hiantefa any amin’ireo fahavalom-pirenena. Ela loatra ny fanatanterahana ireo nampanantenaina ary efa maro ny vahoaka no mametra-panontaniana hoe “akoho tsy naneno ohatr’izay sao dia mba efa lanin’ny kary?”
Ravalo tsy Manana