Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Soanierana-Ivongo – Tovolahy 30 taona maty nanaton-tena

Tovolahy sahabo ho 30 taona no hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany, ny alarobia hifoha alakamisy 29 oktobra lasa teo. Tao amin’ny fokontany Antsiradravo, any Sonierana-Ivongo no nisehoan’izany. Olana ara-pitiavana no fantatra fa antony nahatonga izany. Ireo mpifanolo-bodirindrina aminy no nahatsikaritra ny zava-misy taorian’ny tsy fahitana azy nivoaka ny tranony.

Nanahy amin’ny mety fisian’ny zavatra hafahafa ka nampandre ny sefom-pokontany izy ireo. Tonga teny an-toerana ity farany ka voatery novakiana ny varavaran’ny trano. Ilay lehilahy mihantona ary  tsy misy aina intsony no hita tao. Niantso ny mpitsabo sy mpitandro filaminana avy eo ny tompon’andraikitra nanao ny fizahana ny razana. Teo no nahalalana fa maty namono tena ilay tovolahy. Ireo mpiara-monina taminy no nitantara fa nanana olana ara-pitiavana io lehilahy io, araka ny vaovao voaray. Fantatra ihany koa fa mpiavy mila ravinahitra any Soanierana-Ivongo izy fa any Mandritsara no tena fiaviany. Tsy manana havana any an-toerana ka ireo fokonolona no nanao tsipaipaika nikarakara ny razana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre