Tribonaly – Lehilahy ho tsaraina nitsoraka tao amin’ny ranon’Anosy
Lehilahy iray hiatrika fitsarana no votsotra teny an-tananan’ireo zandary omaly, teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro no nitrangan’izany nandritra ny fiandrasana laharana hiditra ao amin’ny efitrano fihainoana ireo voampanga. Toy ny olon-drehetra nivezivezy tao amin’ny tribonaly no nivoahan’ilay lehilahy ka tsy nanam-po na inona na inona ireo mpiambina teo amin’ny varavarana.
Taitra, noho izany, ireo mpitandro filaminana nitondra azy ka raikitra ny fanenjehana. Natao ny fikarohana ka teny amin’ny ranon’Anosy no nahitana azy. Mbola tsy fantatra kosa ny antony tena nitsorahany tao amin’io rano maimbo io.
Voatery nampandre ny mpamonjy voina izay nidina teny an-toerana nampiakatra azy, raha toa ka, niandry teny amoron-drano ny zandary. Rehefa voasambotra ilay lehilahy dia nentina avy hatrany teny Ankadilalana natao famotorana. Tsy nofatorana “menottes” intsony izy. Talohan’izany kosa dia nanapoaka basy ny mpitandro filaminana nanaparitahana ireo olona nitangorona teo sao hanararaotra hitsoaka indray io lehilahy io.
Laurena Nany