Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Ambositra – Roalahy maty voatifitry ny mpampandry tany

Roalahy indray no lavon’ny balan’ny miaramila mpampandry tany, tao Ambodiriana, kaominina Ivato-centre, any Ambositra, ny alatsinainy lasa teo. Nandritra ny fisafoana natao tany an-toerana, nisy andian-dehilahy miisa 6 nifanehitra tamin’izy ireo. Vaky nandositra avy hatrany ireo lehilahy ireo raha vao nahita ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fanenjehana. Nanao tifi-danitra ireo miaramila fa tsy nijanona ireto nandositra ka voatery nitifitra iry voalohany. Voan’ny balan’ireo miaramila ka maty tsy tra-drano ny roa fa ireo efatra ambiny kosa tafaporitsaka.

Tsy mbola fantatra mazava hatreto na dahalo na olona tsotra nandositra noho ny tahotra mpitandro filaminana fotsiny izy ireo. Ny fihetsik’izy ireo raha vao nahita ny mpampandry tany dia efa ampy ahiahiana azy ireo ho jiolahy nikasa hanao asa ratsy. Iray tamin’ireo namoy ny ainy no fantatra ny anarany sy ny mombamomba azy. Fantatra kosa fa tsy misy sahy mikitika ireo razana ny fokonolona any an-toerana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre