Fampandrosoana artifisialy
Nalaza indray tato ho ato ny fandatsahana orana artifisialy izay tena ireharehan’ny mpitondra Fanjakana satria heveriny ho vahaolana amahana ny fihanaky ny setroky ny doro tanety izay nandrakotra ny renivohitra efa ho herinandro vitsivitsy izay. Ny nahagaga tamin’ity raharaha ity dia ny tsy fisian’ny firindrana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy minisitera satria lasa ny an’ny Fahasalamana indray no nampiaka-peo voalohany fa tsy ny Tontolo iainana. Raha ny tokony ho izy mantsy dia resaka tontolo iainana ny doro tanety nefa toa tsy re feo mihitsy ny minisitera voakasika akaiky amin’izy io. Ankilan’izany anefa dia tsy nanaiky ny minisiteran’ny Fahasalamana satria mankarary ny mponina eto an-drenivohitra ny setroka be ka tsy maintsy itadiavana vahaolana. Hany herin’ny mpitondra ambony nandrafitra tetikady andatsahana orana artifisialy. Dia io miraraka isan’andro io ny ranon’orana. Vahaolana vonjimaika ihany anefa, araka ny maha artifisialy azy, izany hoe nataon’ny zanak’olombelona izay hampilatsaka ny orana fa raha ny tokony ho izy dia mbola maina be teto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Ity fandatsahana orana ity no nanaporofo fa rehefa tena hitady vahaolana, mahita ihany ary afaka manova ny lalànan’ny natiora mihitsy ny teknisianina.
Mipetraka ihany ny vazivazy zary tenany eny anivon’ny fiaraha-monina manao hoe maninona ihany koa raha manao fampandrosoana artifisialy ny Fanjakana fa ela figadona loatra ny fanatanterahana ireo fampanantenana nataon’izy ireo. Miandry vasoka amin’ny mpamatsy vola izay tsy hanome akory fa mampilendalenda fotsiny ity fitondrana ity ka taraiky eo. Be fandaniam-poana nefa tsy manam-bola.
Azo atao tsara ny mitondra fampandrosoana haingana tsy manaraka ny fepetra apetraky ny vahiny hoy ireo manam-pahaizana malagasy ivelan’ny fitondrana. Ny mpahay toe-karena sy fikirakirana vola efa marobe no nitondra fanazavan-kevitra fa azo ampiakarina mihitsy ny sandan’ny Ariary, saingy tsy misy mpihaino izy ireny. Marobe ihany koa ireo teknisianina sy mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany no manome soso-kevitra hitrandrahana ny harem-pirenena ka hamadihana izany ho vola ampiasain’ny Fanjakana nefa toa tsy nitondran’ny mpitondra valiny.
Afaka ampandrosoana i Madagasikara raha tena manana ny fahaleovantenany ny mpitondra fa tsy miankin-doha lava amin’ny fepetra izay apetraky ny vahiny izay tsy manao afa-tsy izay ampihemotra ity firenena ity. Porofon’izany ny zava-nitranga tamin’ny fitondrana tetezamita izay nahavita nampandeha ihany ny raharaham-pirenena nefa nitambesaran’ny sazy maro avy amin’ireo vahiny ary tsy nahazo famatsiam-bola. Na inona na inona fomba nahitan’ny mpitondra tamin’ny tetezamita famatsiam-bola dia nandeha ny raharaham-pirenena ary tsy nisondrotra ny vidin-jiro sy ny solika fa voatazona hatrany.
Tsy sahy mitrandraka ny harem-pirenena hanasoavana vahoaka ny mpitondra ankehitriny nefa kosa mamela malalaka izany anjakan’ny vahiny. Ireo mpandraharaha malagasy sy mpitrandraka madinika indray aza no henjehina sy alaim-baraka amin’ny asa fitadiavam-bola ataony. Rehefa ny vahiny no mitrandraka sy mamoaka ny harem-pirenena toa tsy misy voakitika fa rehefa ny malagasy no maka ny azy dia lazaina fa olon-dratsy sy fahavalom-pirenena.
Ny fitondrana anefa tsy mahavita mametraka paik’ady mazava ahafahana mitrandraka ara-dalàna ny harena rehetra fa toa manodinkodin-dresaka amin’ny fandrafetana lalàna vaovao sy fananganana sampan-draharaha manokana izay tsy mahatapaka ahitra akory. Mitabataba etsy sy eroa fa mbola mila miliara dolara maromaro hanatanterahana ny Pnd. Hindramina sy ho trosaina amin’ny mpamatsy vola vahiny ireo miliara dolara ireo fa tsy hitady amin’ny alalan’ny herim-pony manokana mihitsy ny mpitondra. Azo atao tsara anefa hoy ny teknisianina ny mitrandraka mivantana ny harem-pirenena azo havadika ho vola ka mivarotra izany amin’ireo orinasa any ivelany. Vetivety dia ho azo na 50 miliara dolara aza no ilain’ny Fanjakana raha toa ka mitrandraka sy mivarotra ary misitraka mivantana ny harem-pirenena ny malagasy.
Ravalo tsy Manana