Boriborintany fahadimy – Notokanana ireo toeram-pidiovana miisa 35
Ny talata atoandro lasa teo no natao ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa teny amin’ny boriborintany fahadimy. Vita soamantsara ireo trano fidiovana miisa 35 eny amin’iny faritra iny, ary ilay toeram-pidiovana eny amin’ny fokontany Ambatokaranana notokanana dia marika fa efa vita toy izany koa ireo telopolo mahery hafa.
Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Région île de France ary ny IMV, no nahatanteraka ny fanamboarana sy ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa ireo. Natao ireo trano fidiovana ireo mba hanatrarana ny tanjona ho amin’ny fanadiovana, ao anatin’izany ny hanafoanana ny fanaovana maloto eny an-kalamanjana. Fantatra ihany koa fa efa fangatahan’ny mponina teny an-toerana ny fisian’ny toeram-pidiovana tahaka izao, izay tena ilaina tokoa eny amin’ny manodidina.
Araka izay hetahetan’ny mponina izay dia « Tokony kajiana tsara ny zavatra vita fa fananana iombonana ary atao mangarahara ny fitantanana azy », hoy i Patrick Ramiaramanana, nisolontena ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra teny an-toerana. Nomena ny fikambanana izay hisahana ny fitantanana azy ireo foto-drafitr’asa ireo.