Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

« Tany ho anao » – Tolotra iray ataon’ny Master immobilier services

Ny « Master immobilier services (Mis)» dia orinasa iray mikarakara ny fivarotana sy fividianana tany amin’ny vidiny tena mora. Amin’izao fotoana izao dia manana tolotra ho an’ny mpanjifa ny Mis, ny tetikasa « Tany ho anao ». Tolotra natokana ho an’ny mpiasa na amin’ny fanjakana na amin’ny tsy miankina izany, izay iarahana miasa amin’ny banky mba ahafahan’ireo mpanjifa mandoa tsikelikely ny vidin’ny tany araka ny fahafahany.

Ny orinasa Mis dia manampy ireo mpanjifa amin’ny fitadiavana tany, noho izy ireo mahafantatra tsara ny tsena anatiny sady manamora ihany koa ny paik’ady rehetra sy fikarakarana ny atontan-taratasy. Ankoatra ny famoran’ny tany dia manome antoka ny fahadiovan’ny tany  eo amin’ny resaka ara-pitsarana sy ara-bola ihany koa izy ireo ary manome titra ny tany mazava tsara.

« Voakasika amin’izany ny tany any amin’iny lalam-pirenena Rn1 dia ny any Imerintsiatosika an-tampon-tanana sy Fonenana, Vontovorona, Ambatomirahavavy sy ny maro hafa.  Notsongaina manokana iny Rn1 iny noho ny fivoarany sy ny fahitana fa mbola malalaka. Manomboka amin’ny 2 500 ariary ny 10 metatra tora-droa hatramin’ny 20 000 ariary », hoy i Rajaonarisoa, mpitantana ny orinasa Master immobilier services.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre