Brickaville – Nangalarin’ny mpiambina hotely ny volan’ireo mpivahiny
Nangalarin’ireo mpiambina miisa 2 ao amina hotely iray, any Andovoranto Brickaville, ny volan’ireo mpivady nanao vola tantely tao aminy. Ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, nandritra ny fotoana nisakafoanan’izy mivady no niditra an-tsokosoko tao amin’ny efitrano fatorian’ireto mpivahiny izy roalahy nisavasava ny entana. Taitra ireo “mpivady vao” raha nahita ny efitrano nikorontana ambony ambany tamin’ny fiverenan’izy ireo tao amin’ilay efitrano. Rehefa nojerena ny fitoeram-bola dia najifa avokoa ny vola vahiny mitentina 900 euros sy 40 livres sterling ary vola gasy 700 000 ariary.
Nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra an’ilay hotely izy mivady ary raha notadiavina ireo mpiambina dia tsy hita tao an-toerana. Rehefa nantsoina tamin’ny finday indray izy ireo dia fahefatradiny aty aoriana vao tonga ny iray fa ilay faharoa efa nandositra niala ny tanànan’i Brickaville niaraka tamin’ny fianakaviany. Izay toe-javatra izay, nahalalana fa izy roalahy no nahavanon-doza. Rehefa nilazana ny zava-misy ny zandary tany an-toerana dia nanao ny fikarohana ilay nandositra avy hatrany, fa ilay mpiray tsikombakomba kosa nosamborina.
Ny ampitson’io ihany anefa dia sarona tao Mangarano, any Toamasina, ilay mpandroba. Nandritra ny fisamborana azy no nahafantarana ny toerana nanafenany ireo vola. Araka ny loharanom-baovao dia tsy nokasihany mihitsy ireo vola vahiny fa ilay vola gasy no efa nifampizaran’izy roalahy.
Laurena Nany