Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Atomboy amin’ny mpitondra aloha!

Tsy misy vola ny fanjakana (fa tsy ireo olom-panjakana !) ary mbola tsy nirotsaka araka ny nantenaina tokoa mantsy ny vola avy amin’ny mpamatsy  iraisam-pirenena. Tsy maintsy ny vola hita ato anatiny ihany noho izany no ampiasaina hanodinana ny raharaham-panjakana. Araka izany, avy amin’ny hetra sy haba aloan’ny tsirairay no mbola mampihodina ny raharaham-panjakana, satria tsy ampy ny eo am-pelatanana nefa tsy maintsy ampitomboana ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Etsy andanin’izay ihany koa tsy maintsy misy ny fitsitsiana sy fifehezana ny fandaniana. Fepetra napetraky ny mpamatsy vola toy ny tahirim-bola iraisam-pirenena rahateo ireo. Efa mandeha ny fanavaozana toy ny fanalana ireo mpiasam-panjakana matoatoa. Miditra ihany koa amin’ny fanapahana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana ambony efa tsy misahana izany toerana izany ihany koa ny fanjakana. Miditra amin’ny fitsitsiana ny any anivon’ny ministera sy sampan-draharaham-panjakana isany avy. Na ny taratasy ampiasaina aza efa manahirana ary ireo sekin-tsolika no fampiasan’ny ankamaroan’ireo sampan-draharaham-panjakana. Manaporofo ny tsy fahampiam-bola eny anivon’izy ireny ny fisian’ny sekin-tsolika be loatra, natakalo teo aloha, ka nahatonga ny trosan’ny fanjakana niavosa any amin’ireo kaompanian-tsolika. Nitombo avo roa heny izany tato anatin’ny iray volana sy tapany teo ho eo, raha ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Efa mahatratra hatrany amin’ny 20 miliara ariary izany trosa izany eo anivon’ aireo kaompanian-tsolika efatra. Tsy mahagaga raha tsy mety mandray ireny seky ireny ireo kaompania ankehitriny.

Tsy ny eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana ihany no mitsitsy fa ny any an-tokantrano tsirairay avy any ihany koa. Ahena avokoa ny fandaniana rehetra. Na eo aza izany fitsitsiana izany, tsy ampy herinandro dia lany ny karama iray volana. Tsy vitsy amin’ny tokantrano no voatery mitrosa raha mahita aza. Amidy avokoa izay mba fananana kely misy eo am-pelatanana mba ahafahana mivelona. Ho an’ny any Atsimo, efa mivarotra ireo biby fiompiny ny mponina. Aleo tokoa maty rahampitso toy izay maty androany. Efa mitsitsy dia mitsitsy araka izany ny vahoaka. Tokony ho an’ny rehetra anefa ny fitsitsiana sy ny fifehezana ny fandaniana. Ireo mpitondra no tokony ampiseho ohatra voalohany amin’izany.  Raha ny mpitondra ambony rahateo no mifehy ny fandaniany, mety ho betsaka ny vola azo avy amin’izany. Ho avy afaka andro vitsy ny fandehanan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery any ivelany. Saika delegasiôna mavesatra hatrany no miaraka aminy rehefa misy ny fivoahana any ivelany. Iaraha-manaiky fa zava-dehibe ny fifanarahana atao amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny 16 novambra ho avy izao saingy tsy ilaina olona telopolo mahery  ny delegasiôna tahaka ny fahita mahazatra izany. Tsy voatery ihany koa handeha amin’ny trano fandraisam-bahiny lafatra ireo delegasiôna rehefa manaraka ny filoham-pirenena, sady volam-bahoaka no lanian’izy ireo amin’ireny.  Ny vahoaka anefa mihinana ny ambany foitra raha mahita ny harapaka aza.

Ho avy ihany koa ny fihaonan’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka, izay araka ny siosion-dresaka dia hiady indray ny ahazoany fiara tsy mataho-dalana. Tsy maintsy mahazo hono ry zareo depiote satria voafidim-bahoaka satria ny minisitra aza mahazo V8. Azo atao tsara, sady ohatra mety amin’ny vahoaka sy amin’ireo mpamatsy vola ny fifehezana ny fandaniana amin’ny fanoloana ireny V8 ireny ho fiara tsotsotra. Mety tsara amin’ny làlana eto Madagasikara ary vokatra malagasy ny “Karenjy” izay azo omena ireo depiote milaza fa tena mila fiara ahafahany manatanteraka ny asany. Santionany ihany ireo fa raha maro ny asa azo atao, raha tena vonona hiditra amin’ny fanavaozana  sy fifehezana ny fandaniam-bolam-panjakana.

FR

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre