Fikambanana familiana ankavanana – Loza mitatao ny famadihana izany ho amin’ny ankavia
Araka ny fanambaran’ireo mpikambana ao amin’ny familiana ankavanana dia efa nanaraka ny fomba rehetra isan-tsokajiny tsy maintsy arahina ara-panjakana (douane, réception technique, visite, assurance, sns) izy ireo ary neken’ny fanjakana fa mifanaraka amin’ny lalàna mipetraka eto Madagasikara momba ny fifamoivoizana ireo. Efa manaraka ny teknolojia vaovao ihany koa ireo fiara ireo.
Araka ny fampitam-baovao izay navoakan’ny ATT, herinandro lasa izay, tsy mahazo mivoaka intsony ny fiara manana familiana ankavanana fa izay tratra dia ho giazina. Manoloana izany, mahatsapa fa voatohitohina ny fahafahana fototra amin’ny fananany ireo mpikambana.
Raha havadika ireo fiara ireo dia « capteur » maro amin’ireo kojakoja mipetraka ao no ho soloina. Koa raha tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy ny fipetahan’ireo kojakoja mekanika ireo dia hanome torohay diso ho an’ilay kojakoja fototra mampandeha ny fiara izany ka lasa tsy voabaikon’ ny mpamily intsony.
« Raha manery ny tokony hamadihana ny familiana ho amin’ny ankavia ny fanjakana dia toa midika ho loza mitatao aminay izany satria tsy vitsy amin’ireo fiara efa navadika no nitera-doza ary nahafaty olona mihitsy aza. Koa mangataka amin’ny fanjakana izahay mpikambana ato amin’ny familiana ankavanana mba hamerenana ny zonay izay efa nomena anay tamin’ny fotoana nidiran’ny fiaranay teto Madagasikara.»
Nangonin’i Laurena Nany