Mahajanga – Fatin-jazakely narian’olona teny amin’ny Port Schneider
Tsy fantatra na efa maty na mbola velona no nisy nanary ny zaza menavava vao teraka fa efa tsy misy aina intsony no hitan’ny olona, teny amin’ny Port Schneider, tany Mahajanga omaly maraina. Ireo olona nandeha teny amoron-dranomasina vao maraina no nahita azy io, izay mbola miaraka amin’ny tadim-poitrany sy ny ahitra ary feno tsara io zazakely io. Nampandre ny lehiben’ny fokontany eny Mangarivotra avy hatrany ireo olona, iry voalohany avy eo niantso ny zandary. Nidina teny an-toerana izy rehetra niaraka tamin’ny Bmh sy ny mpamonjy voina.
Tamin’ny fijerena ny razana dia ahiana no narian-dreniny mbola velona ity zaza ity ny alin’ny alarobia teo. Tsy misy na inona azo natao intsony fa dia nalain’ny Bmh ny razana ary nalevina. Tsy mbola fantatra kosa ny reny nahavanon-doza.
Fantatra fa fomba any Mahajanga ny mamerina ireny zazarano ireny amin’ny rano saingy tokony atao am-pahamendrehana fa tsy tokony ariana any amin’ny fanariam-pako na eny rehetra eny.
Manoloana izany indrindra dia nanentana ireo vehivavy any an-toerana ny sefo fokontany mba samy hitandrina raha mbola tsy maniry vohoka fa ain’olona io ka tsy tokony viraviraina.
L.N