Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Saribao vita amin’ny fompotra – Miaro ny tontolo iainana

Raha ny kitay sy ny saribao avy amin’ny hazo no angovo netim-paharazana  nahazatra sy nampiasain’ny malagasy  hatramin’izay, tsy mitsahatra mitady fomba vaovao ireo mpikaroka ialana tsikelikely amin’izany. Efa misy indray amin’izao ny « saribao mateza » vita avy amin’ny fompotra, ity farany izay maharitra kokoa raha oharina amin’ny saribao vita amin’ny hazo satria telo ora be izao ny faharetan’ny afo.

Ny fompotra dia zavamaniry lo, saingy mbola tsy lasa zezika fa torotoro fotsiny, na koa ireo zavamaniry lo tao anaty rano ka lasa toy ny saribao izay ampiasaina andorana biriky ohatra. Nahodina izany amin’izao ary lasa saribao ary fomba iray natao hiarovana ny tontolo iainana satria tsy potika ny ala ary manamaivana ny fihavian’ny orana ary mamerina izany amin’ny laoniny.

Maro ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny saribao vita amin’ny fompotra, araka ny filazan’i Randriamaromanomana Louis René, izay namorona ny “saribao mateza”. Ankoatra ny ala voaaro dia miteraka famoronana asa sy miahy ny ara-tsosialy ny vahoaka ihany koa.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre