Tsy fizakana ny zom-pirenena malagasy – Ny fanovana ny làlana no vahaolana
Tsy any ivelany ihany fa maro ireo olona tsy mizaka zom-pirenena na « apatridie » na inona na inona eto Madagasikara. Misy karazany maro izany fa ny « apatride unicité » no misy eto an-toerana, izany hoe, ireo olona teraka teto na ny ray aman-dreniny na efa amin’ny taranaka faha-enina ary dia tsy mbola mizaka ny zom-pirenena malagasy. Ireo teratany karana, sinoa, arabo ary ny kaomorianina no tena lasibatra amin’izany. Fantatra ihany koa fa ny làlana malagasy dia tsy mamela ny vehivavy iray manambady vahiny manome zom-pirenena ny zanany na ny vadiny. Eo ihany koa ny tsy fanomezana izany ho an’ireo zaza manana fahasembanana.
Manoloana izany indrindra dia nanome fiofanana ho an’ny mpanao gazety ny Focus development association (Fda), omaly, teny amin’ny hotely Ibis, amin’ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fisian’ny olona tsy mizaka zom-pirenena malagasy. Hetsika ataon’ny Fda miaraka Unhcr, amin’ny fitadiavana fomba atao hanomezana ny zom-pirenena ireo olona ireo. « Mizara roa ny asa atao dia ny voalohany amin’izany ny fizarana momba ny làlana, amin’ny fanentanana ireo mpitondra fanjakana sy ny mpanao làlana rehetra amin’ny fanovana ny làlana momba ny zom-pirenena, izay efa tamin’ny taona 1960 no nandrafetana azy, izay tokony atao manaraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Ny faharoa ny fizarana eo amin’ny ara-tsosialy, amin’ny tokony atao mba iarahana monina amin’ny tsy fahasamihafana », hoy Mahazaka-Fandresena Maika, tompon’andraikitra ny serasera, ao amin’ny Focus development association.
Misy fiantraikany amin’ny endriky ny Madagasikara amin’ny any ivelany ny tsy fanomezana io zom-pirenena io satria milahatra amin’ireo firenena manavakavaka tahaka ny Iran ohatra. Fantatra koa fa tafiditra ao anatin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona izany ka ny fanovana ireo làlana ihany no vahaolana.
L.N