Analamahitsy – Zaza nazeran’ny skotera dia nohitsahin’ny taksibe
Zaza iray no maty noho ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny môtô sy taksibe teny Analamahitsy ny faran’ny herinandro teo. Nanao taingin-telo ilay kodiaran-droa ka ramatoa no namily ary rangahy nitaiza ilay zaza tao aoriana. Nianjera anefa ilay skotera ka tsy voatazon’ny dadany ilay zaza ka nipitika tany ambany taksibe izay nifanena ka voahitsaka tamin’ny lohany. Maty teo no ho eo ilay tsy manan-tsiny. Nahoraka manerana ny renivohitra ity tranga ity ary samy nanana ny heviny ny rehetra. Ankoatra ny fitserana dia nisy ireo nanome tsiny avy hatrany ny fitondrana zaza eny ambony môtô. Nisy ihany koa ny nanameloka ilay mpitondra taksibe satria na dia tsy tena avy aminy aza no nitrangan’ny loza dia misy hafainganam-pandeha hajaina sy fahamalinana mila tandrovana ihany eny an-dalana. Raha olona tena mahafehy fiara mantsy dia tsy tokony hisy loza hahafaty izany eto an-drenivohitra. Na misy olona mitsoraka ao ambany fiara mandeha aza dia tokony ho hitan’ny mpamily ary tokony hahay ampijanona ny fiara entiny ara-potoana izy. Tompon’andraikitra feno amin’ny loza toy izao ihany koa ny mpitandro filaminana izay karamaina andrindra ny fifamoivoizana satria be loatra ny gaboraraka ataon’ny mpitaingina skotera eto an-drenivohitra nefa tsy misy firy ny sazy. Tsy mahagaga raha heverin’ireo rehetra manana vola 5 hetsy ariary hividianana skotera fa azo atao avokoa ny tsy fanarahan-dalàna rehetra.
Ra-Dom