Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Sekoly katolika – Nahazo fiofanana ny diosezin’Ihosy

Taorian’ny diosezin’Ambanja dia nihazo ny faritra Ihorombe indray ny ekipan’ny Cnaps sy ny ekipan-dry maompera Jules Ranaivoson nanohy ny filan-kevitry ny talen-tsekoly. Toy ny faritra maro teto Madagasikara dia lohahevitra ny hoe “Sekoly katolika miatrika ireo zo sy fiahiana ara-tsosialy”. Ihosy no diosezy faha – 7 nandray ny filan-kevitry ny talen-tsekoly raha nosantarina tany Antsirabe ary nihazo an’i Tsiroanomandidy, Antananarivo, Mahajanga, Port-Bergé, ary Nosy Be.

Nosafidiana hanana anjara amin’ny fampiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy sy ny mikasika ny Cnaps ireo talen-tsekoly katolika nandritra ny 2 andro voalohany, noho ny fahatsapan’ny foibe nasionaly katolika misahana ny fampianarana ny tsirambina misy amin’ny resaka fahaverezan-jon’ny mpiasa ao aminy. Tanjona kendrena nandritra ny fiofanana ny hananan’ireo tompon’andraikitry ny sekoly fahalalana momba ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana izao. Rehefa mahafantatra mantsy ka mahafehy ireo mpitantana sekoly dia afaka manao fampiharana izany ary mitondra fanovana. Amin’izay dia tsy ho very zo intsony ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly katolika.

Nahatratra 3430 ny sekoly katolika no efa nahazo fiofanana tamin’ny Cnaps nandritra ity tetikasa ity, ary miisa 16 200 ny mpampianatra efa mahafantatra tsara ny fiahiana ara-tsosialy .

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre