Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Loza ho an’ny fiaraha-monina !

Namono olona indray ny môtô ny faran’ny herinandro iny. Sady mandatsa-dranomaso izay naheno sady nanafintohina ny saim-bahoaka ny zava-nitranga satria zaza tsy manan-tsiny no maty nazeran’ny môtô ary voadonan’ny taksibe. Tsy zakan’ny sain’ny olona misy fanahy sy fo mitempo ny fandrenesana zaza maty amin’ny loza tsy ampoizina nefa azo sorohina ny toy izao. Tompon’andraikitra ny rehetra, indrindra ny fitondram-panjakana izay tokony tena sarotiny amin’ny fampanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Eto an-drenivohitra izay tena eo ambany mason’ny tompon’andraikitra ambony rehetra anefa no tena manjaka ny gaboraraka. Samy manao izay saim-pantany ny rehetra ary mampiteny ny moana raha ny zava-misy eny amin’ny arabe. Na môtô, na fiara fitaterana, na fiaran’olon-tsotra dia samy “sôvazy” avokoa araka ny fanasokajian’ny hevi-bahoaka azy.

Anisan’ny tsy voahaja voalohany ny hafainganam-pandeha izay efa voafetra sy voafaritra mazava. Misy ireo mitrifana tsy mahalala izay hahafaty azy ary tsy te hahalala koa fa mety hampidi-doza ny hafa nefa lalam-bahoaka no itondrana fiara. Misy ihany koa anefa ireo manao fanahy iniana manisa vitsika satria tsy maika na mitsitsy lasantsy dia mamono motera ka manao izay ihodinan’ny kodiarana fotsiny. Tsy te hahafantatra izay fitohanana rehetra any aoriana any. Misy ihany koa ireo tena mijanona eo afovoan-dalana tsotra izao ka miteraka fitohanana goavana. Vitsy ny mpamily no tena afaka milaza fa manaja tanteraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana amin’izao fotoana izao. Tena lasa areti-mifindra io fomba amam-panao ratsy io satria mirona any amin’ny tsy fanajana lalàna ny fahazaran’ny maro an’isa. Tsy mahagaga izany satria toa tsy mba misy ny fanasaziana ireo mihoa-pefy.Odian’ny polisy tsy jerena akory ny tsy fanarahan-dalàna rehetra rehefa kamokamo izy ireo. Marobe ny fiara tsy tomombana eny an-dalana eny. Tsy mandefa jiro famantarana, manetroka be, ary vao atao tombamaso ety ivelany fotsiny dia tsy zarizary ny fikojana ara-teknika. Amin’ny alina ihany koa dia maro no tsy misy jiro akory, na misy ihany fa mazava loatra, tsy araka ny fenitra takiana.

Ankoatra ny fiarakodia dia tena mampivarahontsana ny ataon’ny mpitaingina môtô izay tsy te hahalala izay lamina andrindrana ny fifamoivoizana.Tsy fantatry ny mpitondra môtô fa hiarovana ny ain’izy ireo ny fanaovana aroloha. Marobe ny tsy manao izany, ary tsy vitsy ihany koa ny manana ihany fa tsy manara-penitra. Rehefa misy aroloha dia efa mety izay, mba tsy ilan’ny polisy vanona, nefa tsy sahaza ny haben’ny lohan’ilay mitaingina môtô akory. Ny tena mampivarahontsana dia lasa fitaovana fitondrana zaza sy fanaterana mpianatra ny skotera. Marobe mian-dahy miam-bavy ny manatitra ankizy roa na telo amin’ny skotera nefa voafaritra fa tsy azo itondrana zaza ireny fitaovam-pitaterana ireny. Misy aza zaza minono mihitsy no trotroina eny ambony môtô. Manao kitoatoa ary manao sangy ratsy amin’ny ainy ny malagasy sasany. Ankoatra ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny olona entina amin’ny skotera mantsy dia iarahan’ny rehetra miaiky ny fahasahian’izy ireo misisitsisika sy mitrifatrifana eny amin’ny arabe eny. Tsy mahagaga raha marobe ny mandona olona na voadonan’ny fiara ka maty na maratra.

Mila famerenana amin’ny laoniny faran’izay haingana ny fametrahana lalàna hentitra mahakasika ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana eto Madagasikara satria hamoizana ain’ olona maro efa saika ho isan’andro mihitsy izy ity. Mila mandray andraikitra ny Fanjakana ary tena hentitra amin’ny fandraisana fepetra fanasaziana izay tsy manaja izany. Mila mamerina manao fitsirihana ara-teknika tsy misy kolikoly ny fiara sy môtô rehetra ary tsy mahazo mandeha izay tsy ara-dalàna 100%. Tsy misy fatiantoka ho an’ny Fanjakana ny fanatanterahana izany fa vao mainka aza tombontsoa goavana ho an’ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ireo sazy sy lamandy isan-karazany ho an’ireo tsy manara-dalàna.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre