Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

RN7 – Marobe ny lalana simba

Manomboka sahirana ny mpitatitra mpandeha amin’ ny lalam-pirenena RN7 mampitohy an’Analamanga sy Vakinankaratra satria tena be loatra ny lavadavaka sy fahasimbana. Ny lalana eo anelanelan’i Sambaina sy Antsirabe no tena betsaka simba. Misy ihany ny mpanao lalana hita manao ny fanarenana saingy lazain’ny mpitatitra fa manao asa alasafay ary tsy maharitra iray volana akory ireny dia simba indray. Lasa fandaniam-bola fotsiny izany ny fanamboaran-dalana any an-toerana. Misy mihitsy mpamily milaza fa aleo ihany lalana feno lavaka dia miezaka mitandrina toy izay ireo tapitapenana kitoatoa nefa vao mainka manimba fiara. Ny ao an-tampon-tanànan’ Antsirabe ihany koa dia efa manomboka manahirana ny mpamily ny lalana na dia mbola vitsy fiara aza ao an-toerana. Vao avy ny orana dia efa feno fotaka sy rano miandrina ny ankamaroan’ny tanàna any an-toerana ary manahirana ny fifamoivoizana.

Ra-Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre