Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Behoririka – Izy nandona olona indray no torana

Torana nifamonjena ilay vehivavy tao anaty fiara tsy mataho-dalana izay nandona mpianaka teny Behoririka ny faran’ny herinandro teo. Nikarapoka tamin’ny tany ary naratra mantsy ilay voadona ka tsy tantin-dramatoa nandeha fiara izany. Torana ity farany ka voatery izy no nalefa voalohany tamin’ilay fiarakaretsaka akaiky indrindra teo fa tsy ilay voadona. Voalaza fa samy tsy nisy nandefitra teo amin’ny arabe na ilay fiara 4×4 na ilay olona niampita. Samy  tsy nahay nandefitra ka izao voadona izao ilay mpandeha an-tongotra. Lasa fahazaran-dratsy rahateo ho an’ny olona mpandalo eto an-drenivohitra ny tsy matahotra fiara fa miampita amin’ny toerana tiany aleha sy mandeha eny ampovoan’ny arabe. Ny mpitondra fiara sasany ihany koa anefa tsy te hahalala ny hafa mihitsy ary tsy mitsitsy ain’olona fa manararaotra hoe azy ny arabe. Ireo antony ireo dia anisan’ny mahabetsaka ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre