Vedety rendrika tany Katsepy – Olona 5 maty, dokotera ny 2
Vedety iray no rendrika tany amin’ny ranomasina anelanelan’i Katsepy sy Namakia omaly alahady maraina ka olona 5 no maty. Dokotera avy any Katsepy ny 2 tamin’ireo namoy ny ainy ireo, mpitsabo mpanampy ny 1 ary olon-tsotra ny 2 ambiny. Olana ara-teknika miampy taingim-be sy faharatsian’ny toetry ny andro no voalaza fa nahatonga ny loza satria maty teo afovoan-drano ny maoteran’ilay vedety ka tsy afa-nihetsika teo ilay izy. Nisy rivotra nifofofofo mafy tampoka anefa ary nanonja be ny rano ka nivadika sy nilentika ilay sambo kely. Olona miisa 20 ny tao anatiny ka ny 15 avotra soa- mantsara ary efa nalefa natao fizaham-pahasalamana sy manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly any Mahajanga ny 8 amin’izy ireo. Ny ambiny kosa efa nalefa nody.
Efa nandeha ny fanadihadiana mahakasika ity loza an-dranomasina ity, indrindra ny mety ho nahatonga ilay olana ara-teknika. Anisan’ny tena inoan’ny malagasy ihany koa mantsy ny fisian’ny tsy fanajana fady sy fombafomba izay voalaza fa tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina eto amintsika. Maro ny olona mino fa na dia tomombana tsara aza ny fikojakojana ny sambokely sy ny vedety dia mety ho faty eny am-povoan-drano ihany izy ireny rehefa misy tsy manaraka ny fombafomba.
Manamarika izany ny fisian’ilay rivo-mahery tampoka nampihetsika ny ranomasina ka nampivadika ilay vedety. Nahagaga ny maro ihany koa ny fandrenesana fa niara-maty ireo mpiasan’ny fahasalamana miisa 3.
Ra-Dom