Alaotra – Mbola mitohy hatrany ny fitrandraham-bato tsy ara-dalana
Tsy mihena fa vao mainka mitombo isa hatrany ireo mpitrandraka vato avy lavitra tonga ao Alaotra amin’izao fotoana izao manao ny asa fitrandrahana vato sarobidy ka tafiditra ao anatin’izany ny “rubis”.Marihina fa efa enim-bolana teo ho eo izay no nampiverina indray ny asa fitrandrahana noho ny fahavakisan’ny kariera izay tsy mitsahatra ny mipoitra hatrany.Toerana maromaro no ahitana izany fa saika ao anatin’ny faritra Ankeniheny Zahamena no tena misy ireo vato.Maresaka hatrany ny tanàna araka izany ary raha ny nambaran’ireo mpitrandraka dia amin’ny vanim-potoanan’ny orana no tena mampivoaka ny vato ka izay no antony maha maro an’isa azy ireo.Efa nisy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireo manam-pahefana sy mpitandro filaminana nidina an-tsehatra tany amin’ireo kariera saingy tsy nahafoana ny fitrandrahana akory izany.Ny mpitrandraka avy any ivelan’Alaotra no tena betsaka mirotsaka an-tsehatra raha mitaha amin’ireo zanatany izay saika mifototra amin’ny asa fambolena na sehatra hafa ny ankamaroany.
Ange R.