Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Miisa 63 ny olona voan’ny SIDA

Miisa 63 ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida any Mahajanga, araka ny tarehimarika farany nivoaka tamin’ny fitiliana natao tamin’ity taona ity. Nahitana fitomboany be io isa io raha oharina tamin’ny taon-dasa hoy ny avy amin’ny PSI izay miasa manokana amin’ny fanoherana ny SIDA sy ny VIH. Ireo tanora eo amin’ny faha-roapolo taonany no tena maro amin’ireo olom-baovao mitondra ny SIDA. Manamafy izany fa amin’io salan-taona io no tena mampirongatra ny fijangajangana tsy misy fiarovana. Na dia sokajiana ho anisan’ny firenena vitsy olona voan’ny Sida indrindra ary i Madagasikara dia tsikaritr’ireo mpiasan’ny fahasalamana fa tena mihamaro hatrany ireo mitondra ity tsimokaretina ity ankehitriny. Tsy ireo heverina ho mpijangajanga sy mpivarotena ihany no voa fa misy ihany koa ireo tena tsy ampoizina izay sendra solafaka nefa tsy nahay niaro tena ka nijabaka any amin’ny aretina. Ny tsy fanaovana firaisana amin’ny olona mihoatra ny iray, na koa ny fampiasana fimailo irery ihany no fomba ahafahana misoroka ity aretina ity. Fomba iray ahafantarana ny toe-pahasalamana ihany koa ny fanaovana fitiliana rà na mitondra ny VIH/Sida na tsia. Maro anefa ny olona no tsy sahy manao izany satria matahotra ny hiatrika ny valin’ny fitiliana.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre