Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ampasampito – Resevera tapa-tongotra voahitsaky ny taksibe

Voahitsaky ny taksibe amin’ny zotra 147 ny tongotry ny resevera iray ka tapaka. Fiara hiasany ihany ity nanitsaka azy ity. Raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso dia tena nampijalian’ilay saofera ilay mpanampy azy satria somary mitavozavoza amin’ny asany. Kizitina be ingahy mpamily efa hatrany amin’ny fiaingan’ilay fiara ary nony tratry ny fitohanan’ny fifamoivoizana teo Ampasampito dia nasainy nivoaka nankeny aloha hiresaka aminy ilay resevera. Nanatanteraka izany ity farany ary nivoaka ka notabatabain’ilay saofera teo. Nandeha tampoka anefa ilay fitohanana ka naroson’ilay mpamily ilay fiara ary voahosy ny tongotry ity resevera ity ka tapaka.

Nisavoritaka ny tao anaty fiara nandre ny kiakiakan’ilay tovolahy ary nisy mihitsy ireo izay nanome tsiny mafy ilay saofera. Nisy ihany koa ny lasa nivoaka ilay taksibe ary naka fiara hafa. Tsy fanarahan-dalàna tsotra izao no tena antony nahatonga ity loza ity satria raha ny tokony ho izy dia tsy mahazo mivoaka ny fiara ny resevera ary tsy mahazo mifamaly eo imasom-bahoaka izy sy ny mpamily. Tovolahy tsotsotra fa tsy ireny jiolahim-boto mahazatra ireny ilay resevera ,raha ny fitantaran’ireo nahita, ka tsy nananan’ilay mpamily hena-maso. Dedaka rahateo ilay saofera izay niseho ho « patrô » manao teny tsy valiana teo imason’ireo mpandeha. Dia izao niafara tamin’ny loza izao ny zava-nitranga.

Ra-Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre