Asa tandrametaka !
Ahitana fahasimbana avokoa ny lalana rehetra manerana ny Nosy, indrindra iny amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, sy ny lalana rehetra any anaty kaominina any. Misy ihany ny asa fanamboarana ireo simba saingy raha ny zava-misy dia tsy maharitra ela fa volana vitsy dia efa miverina ny lavadavaka rehetra. Maneho io tranga io fa atao fafi-katrana fotsiny volam-panjakana sy ny famatsiam-bola azo hanamboarana foto-drafitr’asa eto amintsika. Asa kitoatoa no atao satria misy ny fanaovana kolikoly amin’ny tolo-bidim-panjakana hahazoan’ireo orinasa madinika miandraikitra ny asa fanarenana. Eto an-drenivohitra no tena ahitana io tranga io satria ireo lavaka rehetra notampenan’ny fitondram-panjakana tamin’ity taona ity dia manomboka mipoitra avokoa vao nilatsaka ny orana. Asa tandrametaka no natao nefa vola be no nolaniana tamin’ireny.
Raha ny fijery azy dia tena atao fanahy iniana tsy haharitra amin’izay mba misy hinanana isan-taona. Mahagaga tokoa mantsy fa tsy mba re mihitsy ny fanenjehana ataon’ny fitondram-panjakana ireny orinasa manao an-tandrevaka ny foto-drafitr’asam-bahoaka ireny. Any amin’ny tany hafa anefa dia misy antoka fa tsy maintsy maharitra aman-taonany maro ny asa fanamboaran-dalana ka raha toa ka misy ny fahasimbana mialohan’izay dia iharan’ny sazy henjana ilay orinasa nanao izany ka sady mamerina ny vola rehetra no mbola mandoa onitra tsy toko tsy forohana ihany koa. Eto amintsika kosa dia efa misy orinasa mpikarama an’ady mihitsy mandray ny ankamaroan’ny tolotra amin’ny fikojana ny lalana ka raha vao mivoaka ny vola avy amin’ny Fanjakana dia izy ireo no anankinana ny asa rehetra nefa ny vokatra tsy misy azo antenaina.
Toe-draharaha iray entina hitarafana ny zava-misy sy fomba fiasa eto amin’ny firenena ity resaka fanamboara-dalana ity. Ambetintenin’ny mpitondra hatrany mantsy ny hoe mbola eo am-pametrahana ny fototry ny asa fampandrosoana izy ireo ka izay no tsy mbola ahitana taratra ny fiantraikan’izany eny anivon’ny fiainam-bahoaka. Tsy tsara rafitra anefa ilay fototra atsangana ka mitsingilaila tsy tafakatra ambony akory dia efa mivilana sy mirodana. Lany andro amin’ny fandaniam-potoana sy fandaniam-bola mantsy ny mpitondra. Lany amin’ny fikarakarana atrikasa fandrafetana paik’ady izay tsy misy ampiharina akory aty aoriana.
Tsy mahagaga raha tsy mety manome famatsiam-bola hanatanterahana ireo tetikasa nokasaina hatao ny mpampanjana-bola vahiny satria tsy misy antoka ny mety hahatanterahan’izany sy ny famerenana ny volan’izy ireo.
Amin’ny maha asa tandrametaka azy dia tsy mety mandroso ny firenena satria sahirana amin’ny fanapenana ny tsy mety ny mpitondra fa tsy mety manangana vaovao. Ny tsara ihany eto no simba ary ny simba ihany no amboarina. Dia rehefa vita mitovitovy amin’ny teo aloha dia milaza ho nahavita asa ny mpitondra. Tsy nandroso anefa fa nihemotra kely dia miezaka hiverina teo amin’ny toerana niaingana indray. Ohatra akaiky maneho izany ihany koa ny delestazy. Nitombo be ny fahatapahan-jiro tamin’ny nandraisan’ny fitondrana ankehitriny ny fitantanana ny firenena ka rehefa miezaka ny namerina izany tamin’ny laoniny ny Fanjakana dia mirehareha fa nahavita ezaka be tsy takatry ny saina. Raha atao anefa ny fampitahana dia mbola be lavitra ny tahan’ny delesatazy amin’izao fotoana izao, manerana ny Nosy, raha oharina tamin’ny andron’ny tetezamita. Izany hoe tsy mbola afaka milaza fa nahavita ny fitondrana na dia efa nisy fihenana aza izany teto an-drenivohitra. Asa tandrametaka avokoa no mahatonga izany rehetra izany ka lasa be lavitra noho ny vokatra andrasana ny fandaniana sy ny vola mivoaka.
Mbola mila ezaka be ity fitondrana ity vao afaka hirehareha fa tena miasa sy miady mafy ho an’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ho fampandrosoana ny firenena. Mila miasa tsara sy manilika ireo tia tena sy te hanan-karena amin’ny volam-panjakana fotsiny satria ireny no katsentsitra mahatonga ny asa kitoatoa sy tandra-metaka ka tsy mampisy ny vokatra misongadina ho an’ny firenena.
Ravalo tsy Manana